- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fahafatesan'ilay niharan'ny fanolanana tambabe tao Delhi, niteraka fiaretantory nanerana an'i India

Sokajy: Azia Atsimo, India, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Desambra 2012)

Maty [1] tamin'ny 29 Desambra 2012 tao amin'ny hôpitaly tao Singapour ilay niharan'ny fanolanana tambabe tao New Delhi.

Ny 16 Desambra no nitranga ilay fanolanana tambabe tao Delhi [2] raha iny nivoaka avy nijery sarimihetsika iny ilay niharany sy ny namany iray. Taorian'ny niakarany tao anaty fiara iraisana, dia nisy mpandeha dimy hafa nanao herisetra tamin'izy ireo. Ny 26 Desambra, nentina namonjy hôpitaly iray tany Singapaoro ilay niharan'ny fanolanana mba hahazo fitsaboana fanampiny, ary tany no nahafatesany ny 29 Desambra 2012.

Ny 29 Desambra no natao ny fiaretantaory tao Bombay ho fahatsiarovana ilay niharan'ny fanolanana tambabe tao Delhi, ka ireo nandray anjara tamin'izany dia nanao diabe teo anoloan'ny tsangambaton'i Gandhi teo amin'ny torapasik'i Juhu hatrany amin'ny kianja Kaifi Azmi.

Araka ny lazain'ny tranonkala Zee, io andro io dia nantsoina hoe ‘Sabotsy Mainty’ [3] ary feno olona avy amin'ny lafivalon'ny firenena nanohitra io tsy rariny io.

[4]

Ny fiaretantory tao  Bombay. Sary: Molly Anderson. Nahazoana alàlana.

In-405 naverina nobitsihana ny bitsika iray avy amin'ilay mpilalao an-tsehatra, Shabana Azmi :

@AzmiShabana [5]: Manao diabe am-pahanginana ireo olompirenena ao Bombay, ahitàna ireo olomalazan'ny teatira sy ny sarimihetsika, androany tamin'ny 5:30 hariva, avy eo amin'ny torapasik'i Juhu, tsangambaton'i Gandhi, hatreny amin'ny kianja Kaifi Azmi.

Nanoratra ho ho an'ny Policymic  [6]aho momba ilay fiaretantory natrehako:

Tanaty rivopiainana somary henjankenjana ihany no nanatontosàna ilay fiaretantory. Nahitàna ireo takelaka nivaky hoe “Ny vatako, ny tanànako, ny zoko” hatramin'ny hoe “Tsy henatra ho azy, fa antsika” ary ny hoe “Ankizilahy kely, ankizivavy kely, ankizintsika”.

Araka ny lazain'ny polisy, maherin'ny 1.500 ireo olona teny. Nahitàna vehivavy, lehilahy ary koa ireo kintan'i Bollywood tao anatin'ireo mpanao diabe, toa an'i  Kailash Kher sy ilay mpandrindra an-tsehatra Satish Kaushik, ilay mpiventy malaza Javed Akhtar, sy maro hafa koa.

Toa an'i Aruna Prakash, vehivavy DJ ao amin'ny foiben'onjampeo 90.8 Jaaga Bombay, no niteny hoe : “Vehivavy aho, ankizivavy, ary avy ao Delhi.”  “Tezitra mafy, nisafoaka sy nalahelo” i Prakash taorian'ilay vaovao. Nitondra fanamarihana izy hoe tany aloha tany ireo ankizivavy dia tony sy nilamina, fa ankehitriny, tsy izany no zavamisy.

Tonga nanao hetsika niaraka tamin'ny anadahiny i Sonam Revanker, vehivavy tanora matihanina ao Bombay. Satria izy niteny hoe, “Fotoana izao hihetsehan'ny olona.” Tao amin'ny Facebook sy Twitter no nahafantaran'i Revenker momba ilay fiaretantory ary dia nanapaka hevitra izy ny hiaraka amin'ny anadahiny. [..]

Araka ny lazain'ilay mpilalao sarimihetsika ao Bollywood, Sameer Kochhar : “Tonga eto aho haneho ny  firaisako hina sy ny fanohanako. Amin'ny maha-Indiàna sy maha-avy ao Delhi, malahelo aho.” Nanao ilay diabe izy mba “hanehoana fa mampiasa loha antsika ny toedraharaha, ary satria mila fiovàna isika.”

Mumbai Vigil. Image by Molly Anderson. Used with permission. [7]

Fiaretantory tao Bombay. Sary: Molly Anderson. Nahazoana alàlana.

Niantso ny governemanta indiàna ny rantsan'ny Firenena Mikambana ho an'ny Fitovian'ny Lahy sy Vavy ary ny fahavitantenan'ny Vehivavy [8] mba

hanao izay tratry ny heriny rehetra hitondràna fiovàna eny ifotony, hiantohana ny fanajàna ny rariny sy ny hitsiny ary hanomezana ireo tolotra ho an'ny daholobe miantoka ny fiahiana ny fiainan'ny vehivavy.

Ireo lahatsoratra an-gazety sy matoandahatsoratra dia misavilivily eo anelanelan'ny antso ‘hamosirana ireo nahavanon-doza [9]‘ sy ny antso hanaovana hetsika malaky raha sendra misy tranga fanolanana. Ny governemanta any amin'ireo fanjakàna indiàna sasany dia niantso mba hananganana tarika iray tsy ahitàna afa-tsy vehivavy mba hisahana ireo heloka bevava atao amin'ny vehivavy.

Tanisain'ny gazety The Hindu [10] ilay ramatoa psikôlôgy klinika, Dr. Aruna Broota, amin'ny filazàna fa mba hanoherana ny fitomboan'ny tahotr'ireo vehivavy sy ankizivavy, ilaina ny manabe ireo zazalahy sy lehilahy lehibe.

Ilain-dry zareo ny manomboka aminà atrikasa sy fitsaboana atao any an-tsekoly ka tsy maintsy mampiaty ireo zazalahy. Tena misy betsaka ny filàna ny firotsahan'ireo zazalahy sy lehilahy lehibe ary ilaina idirana ny resaka momba ny ambaratongam-pahamboniana eo amin'ny fifandraisan'ny lahy sy ny vavy.

[11]

Indiàna mpanao hetsipanoherana mandrehitra lahinjiro ary mitazona takelaka nandritra ilay hetsipanoherana tao Agartala, India. Sary: Arindam. Zon'ny mpamorona: Demotix (30/12/2012)

Notsipihan'ireo fanehoankevitra tao amin'ny Twitter ny filàna fanabeazana :

In-1988 naverina nobitsihana ny an'i Matthew Ward :

@HistoryNeedsYou [12] (Ilain'ny tantara ianareo): Henoy  ry vehivavy eto India: Aza sakanana tsy hivoaka ny trano ny zanakareo vavy. Ampianaro ny zanakareo lahy mba ho tsara fitondrantena. #Delhigangrape [13] (fanolanana tambabe tao Delhi) pic.twitter.com/OvmlArpQ [14]

Harsha Walia niteny hoe :

@HarshaWalia [15]: ny valinteny tsara indridra tao amin'ny Twitter ho an'ireo lohateny goavana miteny hoe : “Manana aolana amin'ireo vehivaviny i India” ==> “Manana olana amin'ny fahefan-dehilahy ao aminy izao tontolo izao” #delhigangrape [16] #delhiprotests [17]

Tao amin'ny Twitter, hoy ilay mpanoratra Anand Giridharadas :

[18]@AnandWrites [18]: Toy ny tifitra totohondry niantefa teo amin'ny kiboko ny fandrenesana hoe maty omaly tany Singapaoro ilay niharan'ny fanolànana tambabe tao Delhi #DelhiGangRape [19]#RIP [20]. Moa ve ho toy ny fiantraikan'ny raharahan'i (Mohamed Bouazizi) ilay toniziana mpivarotra an-dalambe, ny ho aterak'ity raharaha ity eto #India [21], sa ny fanalefahan-tsazy no handresy?

Ny fiaretantory androany dia ho arahan'ny fihetsiketsehana iray manomboka ao Colaba amin'ny 31 Desambra hatrany amin'ny tsangambato eny am-Bavahadin'i India.