- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny andro manerantany iadiana amin'ny SIDA taona 2010

Sokajy: Mediam-bahoaka

Fankalazana faha-22, manintona ny sain'ny olona mihoatra ny 33 tapitrisa [1] miaina miaraka amin'ny VIH ny Andro manerantany iadiana amin'ny SIDA [2]  fanao isaky ny 1 Desambra. Tamin'ny taona 2009, ankizy maherin'ny 1000 maneran-tany [3] no tratran'ny VIH isan'andro.

Miorina amin'ny firaisankina manerantany ny Andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny SIDA, ary amin'ity taona ity, dia mandeha ny fanentanana Hazavana ho an'ny Zo [4]. Mandrisika ny olona any amin'ny tanàna manerana izao tontolo izao mba hampihena ny jiro eo amin'ny sehatra manan-danja ny fanentanana mba hahatsiarovana ny loza mahatsiravina ateraky ny fiantraikan'ny SIDA, ary hampiharihary ny zo fototra iarahantsika rehetra. Ny jiro ho an'ny zo dia hitranga any amin'ny kontinanta rehetra ary azonao atao ny manaraka ny any akaikinao amin'ity sarintany  [5]ity.

  [3]

Mibilaogy miabo [=miaina miaraka aminy]

Blogging Positively [7]Hirika lehibe hizarana fahalalana sy hanapariahana hevitra mampivoatra mahakasika ity aretina mandringana ity ny Andro Manerantany iadiana amin'ny SIDA [2]. Mampiseho ny fomba ahafahana mampiasa ny mediam-bahoaka amin'ny aterineto ny torolalan'ny Rising Voices [8] “Mibilaogy miabo [9]” mba hanaovana fanentanana sy hiresahana momba ny VIH/SIDA manerana izao tontolo izao .

Ny 2 desambra (11 ora maraina EST na 4 hariva GMT), manohana fifanakalozan-dresaka mivantana [antserasera] ny Rising Voices [10] mba handinihana izay tokony ho dingana manaraka ho an'ny Toro-lalana Mibilaogy miabo, ao anatin'izany ny fomba ahafahana mampiasa azy amin'ny fiarahamonina samihafa. Raha liana amin'ity lohahevitra ity ianao ary manana hevitra mikasika ny fomba ahafahan'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra manampy amin'ny fanentanana momba ny VIH/SIDA manerana an'izao tontolo izao na raha te-hahalala bebe kokoa momba ny Rising Voices ianao, dia miaraha aminay ao amin'ny fifanakalozan-dresaka mivantana ato [7].

Ny lahatsoratra Global Voices voatsonga tamin'ny taona 2010 mikasika ny VIH/SIDA

30 Sep – Afrika: Natao momba, niharan'ny fanavakavahana ary nahilikilika ireo vehivavy miaina miaraka amin'ny VIH [11]
06 Sep – Shina: Mendrika hasambarana i Tian Xi  [12]
03 Apr – Ozbekistan: Nafenina ny otrikaretina VIH, nosaziana ireo mpanao fanentanana manohitra ny SIDA [13]
03 Feb – Satria efa milamina i Liberia, manomboka miresaka momba ny firaisana ara-nofo ny tanora [14]
24 Jan – Arabia Saodita: mihemotra ny fitsaboana ny SIDA [14]