- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitokonana faobe tao Ejypta taona 2008

Sokajy: Mediam-bahoaka

Egyptian protesters [1]

Nanjary fifandonana teo amin'ny manampahefana sy ny vahoaka ilay nanomboka ho andron'ny fitokonana faobe tany Egypta tamin'ny 6 Aprily 6 [2], ho fanoherana ny fisondrotam-bidim-piainana, ny karama ambany ary ny krizin'ny mofo.

Noheverina ho andron'ny tsy fankatoavam-bahoaka ny andro, izay hanaovana fitokonana faobe, amin'ny fijanonan'ny olona mijanona any an-trano. Nianiana hanafay ny fitokonana amin'ny daroka vy ny governemanta, ka nampitandrina ny vahoaka tsy hihaino ny antso. Nofoanana avy eo ny famoriam-bahoaka ary niafara tamin'ny fifandonana teo amin'ireo mpiasa sy polisy tao Al Mahalla Al Kobra, ao afovoan'ny indostrian'ny lamba any amin'ny Vinany Avaratra, Kairo, Ejypta.

Miasa mafy ireo bilaogera Ejypsiana [3] mba hilaza amin'izao tontolo izao momba ny fikomian'ireo mpiasa izay mampihozongozona ny fireneny, satria an'arivony ireo manao fihetsiketsehana ho amin'ny fiainana tsaratsara kokoa. Lohalaharana amin'ny  fitroarana ireo mpiasa, izay efa nahafatesana olona dimy, naharatrana maromaro, ary mpikatroka an-tserasera, mpikarakara, mpanao politika sy mpijery tsotra tsy fantatra hoe firy izy ireo no naiditra am-ponja.

Tonga tamin'ny endrika lahatsoratra bilaogy, horonan-tsarimihetsika YouTube, Twitter, sary Flickr, hafatra Facebook ary ireo fitaovana hafa an-tserasera izay azon'izy ireo ampiasaina ny fitantarana nataon'izy ireo. Mbola mitohy ny tolona.

Lahatsoratra Global Voices

4 Jiona- Ho avy tsy hoe ela ao Ejipta ny Great Firewall (Rindrin'afo Lehibe) Shina [4]
16 May- Ejypta: Fampijaliana bilaogera sy mpikatroka [5]
03 May – Jordania: Miomana amin'ny fitokonana  [6]
28 Apr – Ejypta: Rehefa miaraka amin'ny politika ny fivavahana  [7]
21 Apr- Ejypta: Vahoaka mihamanjavona [8]
17 Apr – Natsangana ny vondrona manohitra fitokonana ao amin'ny Facebook [9]
10 Apr  – Ejypta: Ny tantaran'i Sounilla [10]
09 Apr  – Ejypta: Bilaogera lohalaharana  [11]
07 Apr  – Ejypta: Fitokonana famohazana (misy lahatsary) [12]
05 Apr – Ejypta: Miomana amin'ny fitokonana faobe alahady [2]

Sary

Egypt General Strike 2008 [13]
Avy amin'ilay Amerikana mpanao gazety mpaka sary, James Buck ny sary. Jereo ny kaontiny Flickr [14] raha hijery sary maro kokoa. Nosamborina izy, ary efa navotsotra.
Egypt General Strike 2008