- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Efa misy ankehitriny ny Lingua vaovao Nubian!

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, lingua

Miarahaba ry izao tontolo izao! Efa misy ankehitriny ny Lingua Nubian [1]! Tsy maintsy milaza aho fa nofinofiko hatramin'ny naha-mpitantana ny Lingua ahy ny hanana ny Nubian eo amin'ny fitenintsika. Misaotra anao, Momen Talosh, noho ny fahavononanao hanara-maso ny fanombohana ny tetikasa!

Momen [2], izay monina ao Alexandria [3], no mpanorina ny fampiharana “Nubi [4]“, fampiharana finday voalohany liana amin'ny lovan'ny Nubian ary ny fampianarana ny fiteny Nubiana amin'ny fiteniny roa (Kenzi sy Fadicca) mampiasa ny fitaovana teknolojia ampiasaina ankehitriny manerantany. Jereo ato [5] ny momba azy!

Mitady mpandika teny sy tonian-dahatsoratra an-tsitrapo izahay mba hanampy amin'ny fandikana sy ny fitantanana ny tranonkala [1]!

Zarazarao azafady! Ary raha liana ianao, fenoy ity fangatahana [6] ity ary hamaly anao izahay!