- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Horohorontany tany Sichuan 2008

Sokajy: Mediam-bahoaka

EarthquakeNy 12 May 2008, nisy horohorontany nirefy 7.8 tamin'ny maridrefy Richter namely ny faritra atsimo-andrefan'i Shina tany amin'ny faritanin'i Sichuan, ary tao amin'ny faritr'i Wenchuan no nisy ny foibeny, niaraka tamin'ny hovitrovitra re hatrany Beijing sy Hong Kong. An'arivony no maty. Nizara lahatsary, sary ary fanehoan-kevitra ny olom-pirenena taorian'ny zava-nitranga.


Lahatsoratra ato amin'ny Global Voices

20 May – Shina: sehatra fifanakalozan-dresaka ara-poko maro isankarazany no nikatona [1]
19 May – Shina: 国 殇; Fitantaran'ireo sisa velona tamin'ny horohorontany [2]
18 May – Japana: Nanomboka ny dingana fanasitranana ny fanampiana tamin'ny horohorontany [3]
16 Mey – Shina: Fotoanan'ny vavaka [4]
15 May – Shina: Nilaza ny mpandinika ny horohorontany fa efa nampoizina ny horohorontany tany Sichuan [5]
15 Mey – Japana: Fomba fijery momba ny horohorontany tany Sichuan [6]

* Nohavaozina niaraka tamin'ny vaovao farany ny lahatsoratra eto ambany .

12 May - Shina: Nitombo ny fahavoazana tamin'ny horohorontany; ireo vavolombelona tany amin'ireo tanàndehibe voakasika [7]
12 May – Shina: Horohorontany nahatratra 7.8 no re tany amin'ny faritra maro tany Shina [8]

Mbola eo am-pivoarana ity pejy ity . Hisy rohy bebe kokoa atsy ho atsy.

Lahatsary

Nanangona horonantsary ny QQ izay nalain'ireo mpisera ao amin'ny faritra maro voakasika; Maro amin'ireo horonantsary ireo no azo jerena ato [9] .

Ato amin'ny Global Voices, nanome rohy mankany amin'ny lahatsary maromaro i John Kennedy ato [8] .

Saripika

Manana sary am-polony maro taorian'ny horohorontany i ZonaEuropa [10] .

Nanome rohy mankany amin'ny sary marobe eto [7] i Bob Chen.