- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vaovao mahafinaritra momba ny Lingua Espaniola!

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, lingua

(Lahatsoratra teny anglisy efa tamin'ny taona 2015 ity adika eto ity)

Faly aho manambara fiovana goavana ao amin'ny ekipantsika Lingua.

Nandritra ny taona maro, Juan Arellano [1] no tonian-dahatsoratry ny Lingua Espaniola [2], manara-maso ny fandikana ny lahatsoratra GVAnglisy mankany amin'ny teny Espaniola. Tamin'ny Janoary anefa, nanambara i Juan fa hiala izy ka manomboka amin'ny 15 Febroary, i Gabriela Garcia Calderon [3] no hisolo azy.

Juan Arellano nandritra ny fihaonamben'ny Global Voices tany Cebu, Filipina. Avy amin'i Laura Schneider.

Hiara-hiasa amintsika ho amin'ny fitomboana sy ny faharetan'ny fiarahamonina Lingua Espaniola i Gabriela, miara-miasa amin'ny efi-panoratana, fampiofanana, fananganana fiaraha-miasa ary fitantanana antontan'isa sy angona. Vakio bebe kokoa eto ny momba an'i Gabriela [4], ary andeha hiaraka amiko hiarahaba azy amim-pitiavana!

Gabriela Garcia Calderon Orbe nandritra ny fihaonamben'ny Global Voices tao Cebu, Filipina. Sary avy amin'i Laura Schneider. 

Te-hisaotra betsaka an'i Juan  koa aho ary miarahaba azy noho izy nanao asa mahafinaritra nitarika ny fiarahamonina Lingua mavitrika indrindra nandritra ny taona maro lasa!