- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Moa ve handràra ny fampitam-baovao tsy miankina amin'ny alàlan'ny lalàna i Kiobà? Handrara ny fampiantranoana tranonkala vahiny ny didim-panjakana vaovao

Sokajy: Amerika Latina, Kiobà, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia, GV Mpisolovava

Sary famantarana ny WiFi any Havana Fahiny, Kiobà. Saripikan'i Nano Anderson, nalaina tao amin'ny Flickr teo ambanin'ny lisansa CC BY 2.0.

Navoakan'ny manampahefana Kiobàna tamin'ny 4 Jolay ny didim-panjakana [1] izay mandràra ny olom-pirenena Kiobana tsy hitantana tranonkala hampiantranoana ivelan'ny firenena. Niteraka voka-dratsy [2] teo amin'ny sehatry ny fampahalalam-baovao tsy miankina miroborobo ao Kiobà, izay saika ahitana ny ankamaroan'ny tranonkalan'ny fampahalalam-baovao sy bilaogy rehetra manararaotra ny fisian'ireo tolotra mpampiantrano vahiny sy ny sehatra fibilaogiana ilay lalàna.

Tsy manome ny antsipirihany mikasika ny fampiharana azy ny lalàna- tsy fantatra mazava raha toa ka hisy fiantraikany amin'ireo olona izay mampiasa ny sehatry ny tambajotra sosialy miorina any ivelany amin'ny famoahana ny fomba fijeriny izany- saingy milaza kosa ny Kiobana fa miteraka olana roa izany farafahakeliny ho an'ireo olom-pirenena maniry ny hitantana ny tranonkalany manokana. Voalohany, mila mizaka fandoavam-bola vaovao izy ireo eo ambanin'ny lalàna vaovao. Lafo kokoa noho ny tolotra fampiantranoana vahiny maro ny tolotra fampiantranoana ao Kiobà, izay omen'ny ETECSA, ilay mpamatsy tolotra fifandraisandavitra hany tokana ao amin'ny firenena izay tantanan'ny fanjakana ary mihoatra noho ny fitantanana bilaogy fototra amin'ny tranonkala tahaka ny WordPress, izay tsy handoavam-bola ny sarany ambany indrindra .

Ny lafiny faharoa sady mampiahiahy kokoa momba ity fitsipika ity dia ny fametrahana ny famehezana henjana ireo karazana tranonkala azo ampiantranoina ao Kiobà avy amin'ny fitsipiky fanjakana Kiobana. Raha araka ny andininy faha 27 ao amin'ny torolàlana izay navoakan'ny ETECSA [3], tsy afaka miantrano ao amin'ny lohamilina Kiobana ireo lahatsoratra izay ahitana “vaovaon'ny media”. Ankoatra izay, mandrara ny votoaty izay “mifanohitra amin'ny andinin-dalàna na ny lalànan'ny governemanta” na ny mety ho fanakorontana ny “filaminam-bahoaka” ny lalàna ho an'ny bilaogera sy ny hafa izay manoratra fanehoan-kevitra mahaleotena.

Any amin'ny firenena iray izay rafetin'ny singa telo lehibe ny tontolon'ny haino aman-jery- ny fampahalalam-baovaom-panjakana, ny gazety sy ny masoivohom-baovao vahiny, ary ny vondrona fampitam-baovao tsy miankina ao an-toerana vitsy kanefa miha-matanjaka-  dia mety hametraka ity sehatra fahatelo ity ho ao anatin'ny fanjavozavoana araka ny lalàm-pitsarana maharitra ny fitsipika vaovao .

“Mamela ny fampahalalam-baovao tsy miankina tsy hanan-tsafidy “ara-dalàna” amin'ny fampiantranoana ity lalàna ity,” hoy ny mpanao gazety ao an-toerana sady mpanoratra ato amin'ny Global Voices Elaine Díaz [4] .”Amin'ny fametrahana lamandy, manameloka ny fanapahan-kevitra tsy tokony hisy vokany ara-pitsarana izy ireo.” Díaz no lehiben'ny toniandahatsoratra ao amin'ny Periodismo de Barrio [5], vondrona fampitam-baovao tsy miankina any Havana.

Tao amin'ny Twitter, nanakiana ny zava-misy ihany koa i Díaz fa tsy nodinihana nandalo adihevitra sy fanadihadiana avy amin'ny antenimiera ny lalàna fa natao tamin'ny alàlan'ny didim-panjakana .

#NoMoreDecrees Misy fiantraikany eo amin'ny olom-pirenena manana bilaogy ao amin'ny @wordpress na pejy ao amin'ny @Medium ny andininy faha 68. Fanitsakitsahana izany ary tsy neken'ny Antenimieram-pirenena mihitsy aza. Tokony ho tapahina amin'ny alalan'ny fifanarahana, raha tsy izany dia tsy rariny sady tsy ara-drariny ny politikan'ny fampahalalam-baovao.