- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ampahafantarina anao i Oralia Villegas García, mitantana ny @ActLenguas mandritra ny herinandron'ny 1 – 7 Jolay

Sokajy: Mediam-bahoaka, actlenguas

Sary natolotr'i Oralia Villegas

Ho an'ny 2019, nanasa maromaro mba hampiantrano ny kaonty Twitter  [1] @ActLenguas [2] izahay, mba hizara ny zavatra niainan-dry zareo ho fanomezana aina vao sy ho fampiroboroboana ny fitenindrazany. Ao anatin'ity lahatsoratra fanolorana ity, fantaro misimisy kokoa ny momba an'i Oralia Villegas García (@licoraliavg [3]) sy izay vinavinany horesahana mandritra ny herinandro maha-mpampiantrano azy.

RV: Lazalazao anay ny momba anao:

Oralia Villegas García no anarako, Mazahua avy amin'ny vondrom-piarahamonina San Pablo Tlalchichilpa, Fanjakan'i México. Mpikatroka ara-tsosialy sy nomerika aho ary miezaka mampiroborobo ny fitenin'ireo ray aman-dreniko sy ireo raibe ary renibeko, ny kolontsaiko ? nandray anjara tamin'ireo atrikasa momba ny Fiteny Mazahua ary nitarika ireo fampianarana nataon'ireo mpiteny ny Mazahua tany amin'ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo. Amin'izao fotoana izao aho dia manomboka miasa amin'ny fantsona Youtube ”Maorvi, Aprendamos Mazahua [4]” mba hahafahan'ireo Mazahua izay nitsahatra tsy niteny intsony ny fitenin-dry zareo, noho ny antony isankarazany, mba ho afaka miditra hahita ireo loharanon-karena sasantsasany amin'io fiteny mahafinaritra io.

RV: Ny toerana misy ny fiteninareo amin'izao fotoana izao, eny anaty sy ivelan'ny aterineto?

Teny voatosiky ny singa maro izy. Ny ilainay amin'izao fotoana izao dia ny hiverenan'ireo Mazahuas sy izay rehetra liana amin'izany hampiasa indray ny fiteninay.

RV: Ny lohahevitra kasainao hifantohana mandritra ny herinandro itantananao ny kaonty @ActLenguas?

Amin'ny fanolorana ny toerana misy ilay fiteny amin'izao fotoana izao, ny tanjon'ireo tetikasan'ny mpiteny sy tsy mpiteny Mazahua dia ny manao izay hampiroborobo ilay fiteny sy ny kolontsaina Mazahua.

RV: Inona no tena nandrisika anao ho lasa mpikatroka nomerika ho an'ny fiteninao? Inona no nofinofinao ho an'ny fiteninao?

Mba hitondra vokatsoa amin'ny sehatra sosialy maro isankarazany ary indrindra indrindra fa eny anivon'ireo vondrom-piarahamonina Mazahua ny fampiasàna ilay fiteny, mba hahafahan-dry zareo manohy ny fandovàna ireo fahalalàna sy ny fomba fijerin'ny Mazahua ny tontolo, amin'ny fitenin-dry zareo manokana.