- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Feon'ny tanora avy ao Bandim Sy Enterramento

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Bissau, Guinea-Bissau – Nanatevin-daharana ny Rising Voices tamin'ny taona 2011

BissauNametraka fifandraisana matanjaka tamin'ny tanora manodidina an'i Bandim sy Enterramento, tanàna itatry ny renivohitra Bissau, ny Associação Amigos das Crianças (Fikambanana sakaizan'ny ankizy) ao amin'ny firenena afrikana andrefana iray antsoina hoe Guinea-Bissau [1]. Araka ny ambaran'ny AMIC, miatrika zava-tsarotra ny mponina eny amin'iny vondrom-piarahamonina iny, toy ny tsy fahampian'ny rano fisotro madio, ny faharefoan'ny rafitra fanadiovana, ny faharatsian'ny fotodrafitr'asa fanabeazana ary ny fahavitsian'ny toerana azo antoka hilalaovan'ny kilonga.

Na izany aza, misy herintsaim-pamoronana matanjaka sy fanehoana ara-javakantomatanjaka ihany koa eny noho ny asan'ny AMIC, miaraka amin'ny vondrona ara-kolontsaina ao an-toerana antsoina hoe “Cultural Netos de Bandim [2]“. Miaraka ry zareo manolotra karazan-ketsika arakolontsaina toy ny atrikasan-javakanto, dihy sy tantara tsangana ho fomba ahafahan'ny tanora ao amin'ny manodidina mirotsaka. Eo ambany fitarihan'i Ector Diogenes Cassamá, mpanakanto sady mpikatroka ao an-toerana, nanampy fahaiza-mitantara ho ao amin'ny tolotra ara-kolontsaina ho an'ireo tanora eo amin'ny manodidina ny AMIC.

Nampianatra an'ireo tanora tamin'ny manodidina ireo tanàna roa ireo ny fomba fampiasana sary sy lahatsary nomerika handraketana ny fiainana eo amin'ny vondrom-piarahamonina manodidina ny tetikasa. Na dia tsy mifanakaiky aza ireo tanàna roa ao Bandim sy Enterramento ireo, ahafahan'ny tanora mifandray sy mianatra momba ny tanora any amin'ny faritra hafa ao Bissau ny tetikasa. Nanjary nahafantatra kokoa ny tantaran'ny manodidina ny tanora tamin'ny alalan'ny fanavatsavàna sy fiantsafàna tamin'ireo mpiray monina amin-dry zareo. Hitan'ny tanora ihany koa ny fanamby atrehin'ny manodidina an-dry zareo sy ny fomba andraisany anjara amin'ny famolavolana ny hoaviny.

Jereo ao amin'ny tranonkala ireto:

[11]
[12]

Guinea-Bissau: Heavy Rains Damage Local School [12]

17 Aogositra 2011
[13]

Guinea-Bissau: Featured on Global Voices Podcast [13]

05 Jolay 2011
[14]

Guinea-Bissau: International Day of the African Child [14]

01 Jolay 2011
[15]

Guinea-Bissau: Introduction to Youth Voices of Bandim and Enterramento [15]

25 Jona 2011
[16]

Announcing the Newest Rising Voices Grantees [16]

04 Avrily 2011

Latest Posts from the Youth Voices of Bandim and Enterramento Project Blog [17]

Relatorio de Actividade [18]
29 Septambra 2011
1º Encontro entre AMIC e o Eddie Avila [20]
17 Mey 2011