- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitahiry ny fiteny Aymara ho an'ny taranaka hoavy

Sokajy: Hafanam-po, Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV, gv-summit

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Janoary 2015)

Victoria Tinta, translator and editor of GV in Aymara since 2009

Victoria Tinta, mpandika teny sy toniandahatsoratra ho an'ny GV ao Aymara

Mendri-piderana ary mendrika ny fanohanana rehetra azony ny fanoloran-tena feno hafanam-po avy amin'i Victoria Tinta [1] avy any Bolivia amin'ny vanim-potoana iray izay ahitana ny fitenin'ny indizeny Latino-Amerikana maro tandindonin-doza sy miha-manjavona.
Alefa Victoria! Manao asa mahatalanjona ianao!