- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

[Bilaogera Arabo 14] Iza moa i Dina El Hawary avy ao amin'ny Meedan?

Sokajy: Antsafa, Lanonana, Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Febroary 2014)

Dina El Hawary avy amin'ny fikambanana Meedan [1] no mpandray anjara iray hafa niresaka taminay tany amin'ny Fihaonan'ny Bilaogera Arabo tany Amman Jordania. Iray amin'ireo tetikasa izay niarahany niasa ny Checkdesk, izay hetsika iray natao hampiroboroboana ny fanamarinana iaraha-miasa ho an'ny mpanao gazety sy ireo olon-tsotra tia mampita vaovao [2]. Indro misy lahatsary fohy manazava ny fomba fiasan'ilay sehatra:

Singa manan-danja ao amin'ny tetikasa Checkdesk ny fananganana fiaraha-miasa miaraka amin'ireo fikambanana eo an-toerana sy ireo toeram-pampianarana [3], izay nampiantrano ny fahafahana miofana amin'ny fampiasana ny sehatra. Ao anatin'ity rakipeo fanadihadiana fohy ity, i Dina manome ny topi-maso momba ilay tetikasa sy ny fomba niarahany niasa tamin'ireo mpiara-miasa tao amin'ny faritra any Ejipta, Palestina, Syria, Libanona ary Jordania:

Azonao atao ny manaraka an'i Dina ao amin'ny Twitter ao amin'ny @DinaHawary [4] ary manaraka ny tetikasa ao amin'ny @Checkdesk [5].