- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Diarim-bohitra

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Fampidirana:

la-loma-suenos-todos.jpg

Neighbourhood Diaries – na Diarim-Bohitra – dia tetikasa fitaratra momba ny median'olontsotra an'ny Kalam [1], ONG iray miorina ao Kolkata mandrisika ny tanora avy amin'ireo vondrom-piarahamonina natao anjorom-bala mba haka ny fanoratra misy fahaizamamorona sy hanana fisaina mahay mitsikera ary, Sanlaap [2], fikambanana iray hafa tsy mitady tombony ara-bola manampy ireo zazavavy niharan'ny herisetra ara-nofo any amin'ireo faritra mena ao Kolkata. Ny Urbi Bhadhuri, Bina Dalui, Sahar Romani [3], ary Bishan Sammadar [4] dia miaraka mikarakara andiana atrikasa iray feno famoronana natao haharitra 15 herinandro mba hampianarana ireo fitaovana sy teknikan'ny median'olontsotra hahafahan'ireo tanora mpandray anjara amin'ny Neighbourhood Diaries hahazo fandrisihana hamaritany ny fiainany sy ny vondrom-piarahamonin-dry zareo manokana mba ho fantatr'izao tontolo izao.

Torohay: