- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manolotra topimaso vaovao momba an'i Iran ireo mpamokatra sarimihetsika an-tserasera

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Desambra 2008)

Ny fotoana farany niresahanay momba ny Iran Inside Out  [1]dia vao nahavita lahatsary fampahafantarana ny mpitarika ny tetikasa, Shaghayegh Azimi mba hampilendalendana antsika ny zavatra hitranga:

Araka ny nohazavainy tamin'ny antsipiriany tao anatin'ny tomban [2]‘ny tetikasa mizara roa [3] , mikendry ny Iran Inside Out mba ho lasa orinasa miasa tontolo andro i Azimi hampielezana fanentanana sy hampahafantarana ny mombamomba ireo tanora Iraniana mpamokatra sarimihetsika amin'ny alàlan'ny fampidirana ny asany ho an'ny mpijery iraisam-pirenena. Niatrika sakana marobe ny tetikasa, saingy nahavita fandrosoana lehibe ihany koa izy tao anatin'ny enimbolana, anisan'izany ny tranonkala [4] mahaliana sady hifanakalozana.

Picture 1.png [4]

Nahavita namoaka lahatsary roa avy amin'ny mpamokatra horonantsary Hossein Rasti sy Hamid Najafirad [5] ihany koa ny Iran Inside Out izay maneho ohatra ny herin'ny sarimihetsika mba hampitana ny fihetseham-pon'ny olombelona. Manome ny topimaso anatiny momba ny sehatra niavian'ny mozika metaly mavesatra ao Tehran ny sarimihetsika “Silent Screech [6]” notontosain'i Najafirad .

Nahatonga an'i Hossein Rasti hisaintsainana lalina momba ny hoavin'ny zana-drahalahiny, Parsa, izay vao mainka mampandresy lahatra ny fanehoan-kevitra avy amin'ny filoha Amerikana Barack Obama momba an'i Iran [7]. Moa ve hahita vanim-potoana hanjakan'ny fandriampahalemana sa ny fitomboan'ny fifandonana ny taranak'i Parsa?

Raha mitodika any amin'ny hoavy [2], nilaza i Azimi fa misy lahatsary hafa halefa afaka fotoana fohy ao amin'ny Iran Inside Out. Manantena ihany koa izy fa hanorina fiaraha-miasa amin'ny fetiben'ny sarimihetsika an-tserasera “Culture Unplugged [8]” ary miaraka amin'ny sampana asa fanaovan-gazety, ny serasera, ary ny sarimihetsika ao amin'ny oniversite Iraniana ao an-toerana. Araho hatrany ny tranonkala Iran Inside Out [4] hahitana votoaty mahafinaritra bebe kokoa.