- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitsidihana ny bilaogy Kenyana

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2005)

Nanjaka tamin'ny tontolon'ny bilaogy Kenyana sy ny vondrom-piarahamonina antserasera Kenyana nandritra ny andro vitsy lasa i Lucy Kibaki, vadin'ny filoham-pirenen'i Kenya [1], indrindra taorian'ny tehamaina [2] izay re manerana izao tontolo izao [3].

Sombina fanehoan-kevitra:

- Thinker manome endrika mampihomehy [4] mikasika ny toe-javatra.

- Martin Kimani ao amin'ny Bullets and Honey mihevitra fa tokony hisaorana i Lucy noho ny fanesorana ny alonalona momba an'i Kenya [5].

-Sahiran-tsaina [6] i Soulsytah

-Miahiahy kokoa aho momba ny fanontaniana ady tombontsoa [7] ateraky ny tantara

- Raha jerena ny resaka rehetra momba ny pyjamas sy ny bikinis, dia manome fanontana First Lady Swim Suit [8] Rtoa. K.

- Afromusing mihevitra fa namerina ny hetsiky ny vehivavy [9] ny fihetsiky ny vadin'ny filoham-pirenena.

- Wassapangaz mihevitra fa ondranondrana (misy kely) fotsiny izy [10]. Miombon-kevitra  [11]i Wanjiru.

- Nanangana bilaogy [12] ny vadin'ny filoham-pirenena mba hilaza ny fijeriny momba ny tantara.

- Mental Acrobat namolavola endri-tsoratra (tipôlôjia) lehibe misy ireo fanehoan-kevitra amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto [13] mikasika ny fihetsiky ny vadin'ny filoham-pirenena.

- Farany, Mama Junkyard te-hahita ny media hampiakatra ny adihevitra [14]. Amin'ny dingana fametrahana ity fanamby ity, nanao izany indrindra i MJY (miaraka amin'ireo mpaneho hevitra rehetra).

Mba hanarahana ny tontolon'ny bilaogy Kenyana tsy mitsaha-mitombo, jereo ny Nchi Yetu Daily [15], izay manangona vaovao avy amin'ny bilaogy Kenyana.