- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Syria: Nosakanana ny Blogspot? Inona no atao manaraka?

Sokajy: Pakistana, Syria, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2007)

Araka ny tatitra farany [1] avy any Syria, dia toa voalaza [2] fa nakaton'ireo mpamatsy tolotra aterineto (MTA) Syriana rehetra [3] ny sehatra Blogger an'ny Google, izay mampiantrano ny bilaogy malaza blogspot.com. Nakaton'i Syria imbetsaka ny fidirana ao amin'ny Blogspot [4]. Nanomboka tamin'ny volana Febroary 2006 izany raha nitatitra ireo bilaogera monina any Damaskosy [5] fa nakaton'ny mpamatsy tolotra aterineto (FAI) miaraka amin'ny governemanta [6], Syrian Telecom [7] sy Aloola [8] (Syrian Computer Society [9] -SCS teo aloha) ny fidirana ao amin'ny bilaogy rehetra ampiantranoina ao amin'ny Blogspot [4]. Tamin'ny Oktobra 2006, nitatitra ireo mpanjifa ao amin'ny MTA tsy miankina, AYA [10] fa tsy tafiditra ao amin'ny blogspot,  [11]sehatra fibilaogina, na dia mbola azo idirana aza ao amin'ny www.blogger.com [4] (dashboard). Tamin'ny volana Jiona 2007, nitatitra ny The Syria News Wire [12] fa efa nesorina ny fandraràna tao amin'ny Blogspot.

Mampahatsiahy antsika indray ny fanakanana ny Blogspot tany  [13]Pakistan  [13]sy ny teknika fandinganana nampiasain'ny Päkistaney ary avy eo ireo bilaogera Indiana izany.

Ankehitriny, miaraka amin'ny fanakanana ny Blogspot any Syria izay tsy mampiseho marika faharerahana, ary raha toa ka tsy mahomby noho ny antony iray na hafa ny teknika fandinganana etsy ambony, ary raha toa ka leo ianao mahita proxies sy vahaolana  [2]hialàna amin'ny fandraràna ny Blogspot, dia mety hihevitra ianao fa ilaina ny mamindra ny bilaoginao ao amin'ny Blogger.com ho any amin'ny wordpress.com. [26]

Import Blogger into WordPress [27]
Tsindrio ny sary raha hijery ny lahatsary

 


Araka ny hazavain'ity lahatsary ity
, dia fomba tena tsotra ny famindrana ny blogger ho ao amin'ny wordpress.com. Na izany aza, alohan'ny hanombohana ny famindrana, dia vakio tsara  [28]azafady izay tokony atao aorian'ny dingana famindrana [29], tahaka ny hoe inona no atao amin'ireo sary taloha mbola ao anatin'ny Blogger.com sy ny fomba hitantanana ny resaka Search Engine Optimization (SEO [30]), tahaka ny Google mandahatra ny votoatin'ny bilaoginao taloha.

Tokony hieritreritra hampahafantatra ny mpitsidika sy ny namanao ao amin'ny bilaoginao vaovao ihany koa ianao (ny bilaogy URL sy ny anaran'ny bilaogy). Azonao atao koa ny mitarika azy ireo ho any amin'ny bilaoginao vaovao amin'ny alàlan'ny fampidirana fanafenan-tsotra mitondra  any amin'ny maodelinao blogger.com  tahaka ity iray ity (soloy fotsiny amin'ity fanafenan-tsoratra ity ny kaody taloha ary aza adinoina mihitsy ny mametraka  URL marina amin'ny bilaogy WordPress vaovao)redirecting-script