- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Eo am-pitendrena i Torkia…. Miresaka sakafo sy ireo mpianatra any Etazonia

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2005)

Herinandro mangingina tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Tiorka, nangina ireo bilaogera sasany ankafiziko tahaka an'i Turkish Torque [1]sy Talk Turkey [2]. Na izany aza, navitrika tsy nisy toy izany kosa i Mavi Boncuk [3] sy Erkan ao amin'ny Field Diary [4].

Nahasarika izao tontolo izao  [5]ny fitsarana an'i Orhan Pamuk [6], mpamorona tantara Tiorka noho izy naneho hevitra manohitra ny Repoblikan'i Torkia. Erkan ao amin'ny Field Diary manome antsika fihetseham-po fohy momba ny raharaha Orhan Pamuk [7], ary manana sary misy ireo polisy misahana ny rotaka tao ivelan'ny efi-pitsarana nanaovana ny fotoam-pitsarana azy [8].

Mavi Boncuk nandefa andiana rohy misy ireo nahandro navoakan'ny bilaoginy hatramin'ny nanombohan'ny bilaoginy [9], ary koa manao dokambarotra ny bilaoginy ara-tsakafo manokana, Tastes of Mavi Boncuk [10].

Misy ny fizarana fandraketam-peo (podcast) vaovao ataon'i Kevin sy Fatma Take On the World [11], ary ahenoana an'i Fatma tamin'ity indray mitoraka ity! Ny bilaogy Mp3, Unomundo [12] indray tamin'ity herinandro ity, mifantoka amin'ny mozika hip hop.

Socioeconomics nanana eritreritra tampoka momba ny horonantsary King Kong [13]Ignore Me If You Can manoratra ny horonantsary hitany vao haingana, mitondra ny lohateny hoe Havoc [14]. Manoratra momba ny varotra amin'ny krismasy sy ny tambaovao any Istanbul  [15]ihany koa izy, lohahevitra izay noresahany tao amin'ny Metroblogging:Istanbul  [16]ihany koa. Phanja avy ao amin'ny The Need to Know manambara fa haka “fialan-tsasatra fety” izy. [17]

Yogurtland manana lahatsoratra momba ny fanaovana fanasana sy fisaorana amin'ny mariazy [18], sy ahandro ho an'ny Strained Yogurt Cake [19], izay ampiasaiko ho an'ny iray amin'ireo tetikasako farany amin'ity telo volana ity, ary tiako hanomezana ny fisaorako ihany koa!

Zava-baovao ho an'ity herinandro ity ny bilaogy Tiorka amin'ny teny Anglisy, antsoina hoe Ne Var, New York? [20], kilalaon'ny teny hoe “Ne Var, Ne Yok” (ara-bakiteny hoe, inona no ao, inona no tsy ao) ny lohateny, izay tenin-jatovo tiorka mitovy amin'ny hoe “inona ny vaovao?”.
Hita tamin'ity herinandro ity ihany koa ny bilaogy Queen of Flub [21], mpianatra Tiorka Amerikana ao amin'ny MIT izy, izay ao anatin'ny dingana farany amin'ny famaranam-pianarana any amin'ny oniversite tahaka ny maro amintsika. Mandika araka ny tokony ho izy ny lahatsoratra Tiorka ho amin'ny teny Anglisy i Mert Ulas [22], Tiorka mpianatry ny oniversite any Etazonia, na dia sahirana amin'ny fiafaran'ny enim-bolana aza izy, na izany aza, milaza izany rehetra izany ny lahatsorany farany amin'ny teny Tiorka [23].