- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoela: Mpisera Twitter notanana noho ny fampielezana vaovao ” manakorontana”

Sokajy: Venezoela, Fanarahamaso, Fandrahonana-lalàna, Lalàna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2013 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Toa niverina nandray fepetra indray hanoherana ny fahalalahana maneho hevitra an-tserasera ny manampahefanan'ny governemanta ao Venezoela taorian'ny fahafatesan'ny filoha Venezoeliana Hugo Chávez ny volana Martsa 2013. Ny 14 Martsa 2013, notanan'ny Fitsarana Siantifika sy Sampana Fanadihadiana Heloka Bevava (CICPC, amin'ny teny Espaniola ) i Lourdes Alicia Ortega Pérez  satria voalaza fa “nisandoka ny mari-panondroana an'ilay manampahefana tao amin'ny Sampan-draharaha Mahaleotena amin'ny Fisoratana Anarana sy ny Mpirakitsoratra ara-panjakana ” ary nandefa sioka noheverin'ny fitondrana fa “manakorontana ny firenena”.

Photo by mkhmarketing, under a CC License (BY-2.0) [1]

Sary avy amin'ny mkhmarketing. (CC BY-2.0)

Araka ny filazan'ny El Nacional [2], @Ulilou [3] no solon'anaran'i Ortega ao amin'ny Twitter ary efa mpikambana nanomboka tamin'ny 9 Jona 2009 izy. Nilaza ny gazety fa nalefa tamin'ny 8 Martsa 2013 tamin'ny 8:20 hariva ilay sioka nanfintohina, ho valin'ny fanehoan-kevitra nataon'ny mpisera @douglirodil, izay nanontany ny olona namono ny filoha Hugo Chavez. Namaly i Ortega hoe: “Tsy fantatro fa lasa saribakoly savoka izy.”

Namoaka fanambarana an-gazety tao amin'ny tranonkalany ny Ministeran'ny Atitany sy ny Fitsarana izay nanamarika fa nalain'ny polisy ny solosaina manokana an'i Ortega, “izay nandefasan'i [Ortega] tsaho tao amin'ny kaontin'ny tambajotra sosialy Twitter hanintonana [vahoaka].”

Tranga maro samihafa ahitana ny sivana an-tserasera no notaterina tao Venezoela tato anatin'ny taona vitsivitsy. Tamin'ny tranga niseho tamin'ny 2010 izay nitovy tamin'ny an'i Ortega, mpisera Twitter roa no notànan'ny polisy [4] noho ny filazana fa “nampiely tsaho” momba ny rafitry ny banky.

Tao amin'ny tontolon'ny Twitter Venezoeliana, nanomboka nampiasa ny tenirohy #tuitdesestabilizador [5] (#siokamanakorontana) ny mpisera aterineto mba ho fanoherana ny fitazonana an'i Ortega ary mba hanaovana vazivazy sy fanehoan-kevitra ihany koa momba ny toe-draharaha politika tao an-toerana.

Eritrereto. #siokamanakorontana

Tsy misy rano ato an-tranoko. #siokamanakorontana

Mafana [tsara] i Capriles . #siokamanakorontana

Sioka iray dia efa afaka manaisotra ny fahafahanao ato amin'ity firenena demaokratika ity.

Ry vahoaka, atsaharo miaraka amin'ny tenirohy #siokamanakorontana izany satria aiza no ametrahan'izy ireo ny olona maro [raha] mampiditra antsika any am-ponja ny #CICPC ?

Nanambara ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsarana, Néstor Reverol, fa “hitandro ny fandriampahalemana sy ny filaminana ho amin'ny fahamarinan-toerana ao amin'ny firenena” izy ireo ary nilaza izy fa : “Ho mailo izahay, tsy hamela ny fanakorontanana izahay na dia kely aza.” Araka ny fantsom-baovaom-panjakana , VTV [15] , nanambara ihany koa i Reverol fa hanohy “hanara-maso ny hafatra amin'ireo tambajotra sosialy izay mikasa ny hanakorontana ny firenena” ireo manampahefana.

Nanambara ihany koa ny Minisitra fa hotsaraina eo ambanin'ny Lalànan'ny Heloka An-tserasera [16] any Venezuela i Ortega. Mety iharan'ny lalàna 2010 [17] izay mandràra ny votoatin'ny aterineto rehetra  “mampiroborobo ny korontana eo amin'ny olom-pirenena na manelingelina ny filaminam-bahoaka” ihany koa i Ortega.