Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

23 Avrily 2019

Tantara tamin'ny 23 Avrily 2019

Raràn'i India ny TikTok an'i Shina fa “manimba kolontsaina sy mandrisika pôrnôgrafia”

GV Mpisolovava

Noraràna ny olona ao India tsy hitroka ny TikTok, fampiasa iray miorina ao Shina malaza hizaràna lahatsary haingana.

Fantaro i Kiado Cruz, hitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas mandritra ny 22-28 Avrily

Rising Voices

Andao hofantarina bebe kokoa ny momba an'i Kiado Cruz, hitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas mandritra ny herinandron'ny 22-28 avrily 2019. Hozarainy amintsika ny asany amin'ny fiteny Zapotec ao amin'ny fanentanana media sosialy mifantoka amin'ny fimaroam-piteny an-tserasera.

Miady hevitra ny blaogy Bangla: Saddam sa i Bush? – iza no meloka indrindra?

Nifarana tamin'ny vaovao lehibe mikasika ny famonoana an'i Saddam Hussein tany Iràka ny taona 2006. Sary maro momban'ny fanantonana azy nohita tao amin'ny Aterineto, izay nahaketraka olona maro. Nangotraka fihetseham-po maro nanoloana ilay zava-nitranga ny tontolom-blaogy.

Venezoela: Mpisera Twitter notanana noho ny fampielezana vaovao ” manakorontana”

GV Mpisolovava

Ny 14 Martsa 2013, notanan'ny manampahefana Venezoeliana i Lourdes Alicia Ortega Pérez  satria voalaza fa "nisandoka ny mari-panondroan'ilay manampahefana tao amin'ny Sampan-draharaha Mahaleontena amin'ny Fisoratana Anarana sy ny Nôtera " ary nandefa hafatra tao amin'ny Twitter izay noheverina fa "manakorontana ny firenena".

Pakistan: Horohorontany tany Baluchistan

Ny Alarobia maraina, nanozongozona ny ampahany atsinanan'i Pakistana ny horohorontany tamin'ny maridrefy Richter 6.5. Ziarat, faritra saro-dalana any Baluchistan no faritra tena voakasika mafy. Niteraka fahafatesan'olona maherin'ny 300, naratra an-jatony ary an'arivony tsy manan-kialofana lasa monina ankalamanjana ao anatin'ny ririnina mamirify izany.

Libanona: Fitsidihan'i Norman Finkelstein

Miarahaba an'i Norman Finkelstein, izay nitsidika an'i Libanona vao haingana ilay bilaogera Libaney Ali Hammoud.