- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Tsy namono olona ny tafika,’hoy i Bolsonaro raha nitifitra fiaram-pianakaviana in-80 tao Brezila ny miaramila, ary nahafatesana olona iray

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Tafika manao fisafoana ao Rio de Janeiro, tamin'ny taona 2018. Sary: Tânia Rêgo/Agência Brasil, azo avoaka amin'ny alalan'ny fanomezan-dalana. 

Ny Alahady 7 Aprily, teny an-dalana handeha hamonjy fety tsingerintaona any Guadalupe, faritra mahantra ao an-tanànan'i Rio de Janeiro ilay mpiangaly mozika Evaldo dos Santos Rosa, 51 taona. Niaraka taminy tao anaty fiara ny rafozan-dahiny, ny vadiny sy ny zanany lahy 7 taona ary ny namany iray. Niposaka ny masoandro ary toa tahaka ny faran'ny herinandro mahazatra tao an-tanàna morontsiraka lehibe indrindra ao Brezila izany.

Raha nitondra fiara teo akaikin'ny toby miaramila [1] ry zareo, nitifitra variraraka teo amin'ny fiara ny miaramila. Voa ary maty avy hatrany i Evaldo, raha naratra kosa ny rafozan-dahiny niaraka tamin'ny mpandalo iray teo akaiky. Afa-nandositra kosa ireo mpandeha hafa.

Nanambara [2] ny polisy, izay nizaha ny zava-niseho, taty aoriana fa voatifitra in-80 ilay fiara. Nilaza i Leonardo Salgado, lehiben'ny polisy fa matoky izy fa nafangaron'ireo miaramila tamin'ny fiara ampiasain'ireo mpanao heloka bevava ny fiaran'i Evaldo, araka ny voalazan'ny tranokalam-baovao G1 [2] Nilaza koa izy fa tsy nahita fitaovam-piadiana tao amin'ny fiaran'i Evaldo ny polisy.

Nilaza tamin'ny Estado de S. Paulo [3] i Luciana Nogueira, vadin'i Evaldo, 27 taona izay tafavoaka velona tamin'ilay fitifirana, hoe:

Os vizinhos começaram a socorrer (o meu marido), mas eles continuaram atirando. Eu botei a mão na cabeça, pedi socorro, disse pra eles que era meu marido, mas eles não fizeram nada, ficaram de deboche.

Nanomboka nanampy (ny vadiko) ireo olona manodidina, saingy mbola nanohy nitifitra ireo [miaramila]. Napetrako teo amin'ny lohako ny tanako, niantso vonjy, nilaza tamin'izy ireo fa vadiko izy, saingy tsy nanao na inona na inona izy ireo, nijoro teo fotsiny niaraka tamin'ny haratsiana.

Raha nahatezitra an'i Brezila ny famonoana mahatsivaina olona tsy manan-tsiny nataon'ny manampahefana teo an-toerana, nangina nandritra ny enina andro tsy niloa-bava momba ilay tranga ny filoha Jair Bolsonaro.

Raha niteny ihany izy nony farany [4] nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tamin'ny 12 Aprily, dia hoy izy: “Tsy namono olona ny tafika, ​​avy amin'ny vahoaka ny tafika, ary tsy afaka miampanga vahoaka ho namono olona ianao.”

Teo aloha, ny teny tokana nivoaka avy tao amin'ny Lapan'i Planalto, ny sezan'ny mpanatanteraka, dia tamin'ny alalan'ny mpitondratenin'ny filoha, izay nanondro [5] ny famonoana an'i Evaldo ho toy ny “toe-javatra iray nitranga [loza]” nefa tsy nanolotra fiarahamiory tamin'ny fianakaviany.

Ny harivan'ny 8 aprily, nanambara ny governoram-panjakan'i Rio de Janeiro, Wilson Witzel, mpiara-dia amin'i Bolsonaro, fa “’tsy anjarany ny mitsara [6]

Roa andro taty aoriana, nilaza fotsiny ny Minisitry ny Fitsarana sy ny Fiarovam-bahoaka Sergio Moro  fa “mampalahelo” ilay vono olona [7] nandritra ny resadresaka tamin'ny fandaharana amin'ny fahitalavitra

Ity no isan'ny fanamarihana tao amin'ny Twitter tao amin'ny kabinetran'i Bolsonaro mikasika ilay fitifirana nikendry fiaram-pianakaviana iray tao Rio de Janeiro. Eny, FOANA ny sary, satria tsy nisy olona niseho, na dia nilaza aza fa nalahelo noho ny zava-nitranga. Notifirin'ny miaramila in-80 ilay fiara..

Fanadihadian'ny miaramila

Fotoana fohy taorian'ny nanombohan'ny vaovao niparitaka tamin'ny fampahalalam-baovao, namoaka fanambarana ny tafika, milaza fa namaly “herisetra tsy ara-drariny nataon'ireo mpanafika” ny miaramilany. Ny takarivan'ny 7 Aprily, namoaka fanamarihana hafa izy, tamin'ity indray mitoraka ity dia nilaza fa hanao fanadihadiana izy.

Na dia nizaha teny an- toerana aza ny polisy sivily, dia tsy hanadihady ny raharaha izy ireo. Ny tafika ihany no hanao izany, ary ny tribonaly miaramila no hitsara ireo miaramila. Izany dia noho ny lalàna 2017 izay milaza fa ny tafika mitam-piadiana ihany tompon'andraikitra amin'ny fanadihadiana vono olona nataon'ireo mpiasany teo am-perinasa.

Namoaka fanambarana tamin'ny 9 Aprily [10] mitaky ny hanaovana fanadihadiana tsy mitanila momba ny famonoana an'i Evaldo, sy ny fanafoanana ny lalàna ny Mpanaramaso ny Zon'Olombelona, izay nitsikera ny lalàna  [11]tamin'ny fotoana nankatoavan'ny Filoha Michel Temer azy.

Tamin'ny 8 aprily, nosamborin'ny miaramila ny 10 tamin'ireo polisy 12 izay napetraka teny amin'ilay toerana ary voampanga ho namono olona sy nikasa hamono olona, ​​araka ny filazan'ny [12] gazety Extra. Navotsotry ny mpitsara ny iray tamin'ireo polisy 10 tamin'ny 10 aprily rehefa avy nalaina am-bavany.

Tsy voalohany

Ny polisy Breziliana dia fantatra amin'ny hoe “mitifitra aloha, izay vao manontany,” fiteny izay efa voamarina hatrany hatrany.

Nilaza ny tatitry ny Amnesty International nivoaka tamin'ity taona ity fa ny polisy Breziliana no tena mpamono olona be indrindra eto amin'izao tontolo izao [13]. Tamin'ny taona 2018 monja, 15,6 isanjaton'ny famonoana olona tao amin'ny firenena no nataon'ireo mpampihatra lalàna. Tao Rio de Janeiro fotsiny, sy tamin'ny volana Janoary 2019 ihany, namono olona miisa 160 [14] ny polisy.

Volavolan-dalàna iray antsoina hoe “fonosana iadiana amin'ny heloka bevava [15]” izay natolotry ny governemantan'i Bolsonaro tao amin'ny Kongresy no azo antoka fa mety nampitombo ireo tarehimarika ireo. Mikasa hanova torolàlana maromaro izay hanafoana na hampihenana be ny sazy ho an'ny polisy sy ny manampahefana miaramila rehefa mamono olona mandritra ny asa ilay volavolan-dalàna.

Tsy zava-miavaka ny toe-javatra tamin'ny famonoana an'i Evaldo, lehilahy mainty hoditra 51 taona fa manjaka ao Brezila, araka ny nolazain'i Samira Bueno sy Renato Sérgio de Lima, talen'ny Forum Breziliana momba ny filaminam-bahoaka, tao anaty lahatsoratra iray tao amin'ny Folha de São Paulo [16]:

Evaldo teve sua vida ceifada por aqueles que juraram defendê-la. Seu filho jamais se livrará do trauma de ter assistido ao pai ser fuzilado por agentes estatais. Mas que fique claro que a culpa não é apenas daqueles que apertaram o gatilho. Ou começamos a responsabilizar toda a cadeia de comando pelos atos cometidos, ou vamos continuar contando os nossos mortos e desacreditando as nossas instituições.

Nesorin'ireo izay nianiana fa hiaro azy ny ain'i Evaldo. Tsy ho tapitra ny ratram-po aman-tsain'ny zanany lahy mijery ny rainy voatifitry ny mpiasam-panjakana. Nefa aoka ho fantatsika fa tsy ho an’ ireo nahatonga izany ihany ny fahadisoana. Na isika manomboka mitàna ireo ambaratongan'ny fandidiana ho tompon'andraikitra amin'ny asan'izy ireo, na isika hanohy hanisa ny maty no sady manaratsy ny rafitra eo amintsika.