- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manohy ny fitokonany tsy hihinan-kanina ny mpikatroka Emirati Ahmed Mansoor nogadraina

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Emirà Arabo Mitambatra, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Mbola manapitra sy fanasaziana folo taona an-tranomaizina ao Emirà Arabo Mitambatra ilay mpikatroky ny zon'olombelona Ahmed Mansoor. Saripika: Orina Mpanasoa Martin Ennals, via Citizen Lab.

Miaritra amin'izay mety hamaranana ny fitokonana tsy hihinan-kanina ilay Emirati mpiaro ny zon'olombelona Ahmed Mansoor hatramin'ny tapaky ny volana marsa 2019. Nilaza ny mpanohana azy fa niharatsy haingana dia haingana ny toe-pahasalamany.

Nisambotra azy tao an-tranony ny manampahefana amin'ny fiarovana tamin'ny 20 marsa 2017 noho ny fanehoan-kevitra navoakany an-tserasera. Meloka [1] araka ny lalànan'ny heloka an-tserasera nivoaka tamin'ny 2012 izy tamin'ny mey 2018 noho ny “fanivaivana ny sata sy ny voninahitry ny Emirà Arabo Mitambatra (EAM)” sy ny “famoahana tatitra sy torohay hosoka tao amin'ny media sosialy ho fanimbana ny fifandraisan'i EAM amin'ny firenena manodidina.” Namoaka didy [2] azy higadra folo taona an-tranomaizina ny fitsarana sady nampandoa onitra 1.000.000 Emirati Dirhams (US $270,000) azy.

Nanandra-teny amin'ny hisian'ny fanavaozana demaokratika sy ny fiarovana ny zon'olombelona ao amin'ny fireneny sy ny faritra misy azy efa mihoatra ny folo taona izao i Mansoor. Izy no nahazo ny lokan'ny Orina Mpanasoa Martin Ennals [3], tamin'ny taona 2015 izay manohana ireo mpiaro ny zon'olombelona ahiana ho idiran-doza. Mpikambana ao amin'ny Komity mpanolotsaina ao amin'ny Fanarahamaso ny zon'olombelona Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra izy.

Tsy vao sambany i Mansoor no nampidirina am-ponja tahaka izao. Tamin'ny taona 2011, nampidirina am-ponja [4] izy sy ny mpikatroka ara-politika efatra hafa noho ny fifandraisan-dry zareo amin'ny UAEHewar.net, tsenan-kevitra an-tserasera iray velomin'i Mansoor. Nampiasa ny tsenan-kevitra ihany koa izy hamoahana fanangonan-tsonia isian'ny fanitsiana demaokratika ao EAM. Nampiasa izany ny manampahefam-panjakana hiampangana an'i Mansoor ho manivaiva ny mpitarika ao amin'i EAM. Meloka izy ary nodidiana higadra telo taona, saingy navotsotra [5] araka ny famindram-pon'ny filoha izy rehefa namita sazy fito volana monja.

Talohan'ny fisamborana azy tamin'ny taona 2017, nanao fanentanana an-tserasera tamin'ny anaran'ireo mpikatroka migadra ao EAM sy ao amin'ny toerana hafa rehetra ao anatin'ny faritra izy. Ny omalin'ny fisamborana azy, nisioka [6] izy ny amin'ny fitohizan'ny fihazonana an-tondromolotra ilay Emirati mpikatroka Osama al-Najjar [7], izay mbola tavela any am-ponja na dia efa nahafeno [8] ny telo taona nandidiana azy higadrany aza. Araka ny Human Rights Watch, nanasonia [9] taratasy niarahana tamin'ireo mpikatroka hafa ao amin'ny faritra ihany koa izy miantso ny mpitarika ao amin'ny Ligy Arabo teo am-pivoriana tamin'ny marsa 2017 tao Jordania, ihany koa izy mba hamotsotra ireo gadra politika any amin'ny firenen'izy ireo tsirairay avy.

Tamin'ny desambra 2018, nanamafy ny fanagadrana azy folo taona ny Fitsarana Tampony Federaly ao amin'ny Efitra Fiarovam-Panjakana, tsy misy azo ampakarana ny raharaha intsony ny didy avoakan'io Fitsarana voatonona io.

Araka ny Foiben'ny Zon'Olombelona ao amin'ny Hoala (GCHR), nanomboka [1] nanao fitokonana i Mansoor ”hanoherany ny fepetra mahonena iainany ao am-ponja sy ny fitsarana tsy ara-drariny nahatra taminy”:

Mansoor is believed to be currently held in Al-Sadr prison in Abu Dhabi, where he is kept in isolation. A source told GCHR that he is being held in “terrible conditions” in a cell with no bed, no water and no access to a shower. His health has deteriorated greatly and he is in bad shape.

Heverina ho voatazona ao amin'ny fonja Al-Sadr ao Abu Dhabi, izay anokana-monina azy i Mansoor. Loharanom-baovao iray no nilaza tamin'ny GCHR fa tazonina “amin'ny fomba mahatsiravina” ao amin'ny efitrano iray tsy misy fandriana, tsy misy rano ary tsy misy handroana izy. Niharatsy haingana ny toe-pahasalamany ary tena marefo tanteraka izy.

Manahy ny amin'ny toe-pahasalaman'ilay mpikatroka ireo vondrona mpandala ny zon'olombelona, miantso ny manampahefana ao amin'ny EAM hanafaka azy.

“Mivarotra ny fahasalamany i Ahmed Mansoor tamin'ny fiantsoana fifantohana amin'ny fanagadrana azy tsy ara-drariny tanteraka noho ny fanandrata-teny nataony hisian'ny fiaraha-monina mahazaka, liam-pandrosoana izay lazain'i EAM fa ao aminy,” hoy i [9] Sarah Leah Whitson, tale ao Afovoany Atsinanana ao amin'ny Human Rights Watch. “Tokony hamoaka an'i Mansoor eo noho eo tsy misy fepetra ny manampahefana ao amin'ny EAM mba ahafahany manohy ny fanoloran-tenany ho feo isian'ny rariny ao amin'ny faritra izay mila izany fatratra,” hoy ny nampiany.

Nantsoin'ny International Campaign for Freedom in the UAE (Fanentanana Iraisampirenena ho amin'ny Fahafahana ao EAM) ny [10] manampahefana hikarakara an'i Mansoor araka ny fenitry ny zon'olombelona iraisampirenena ary hamela ny vondrona iraisampirenena mpandala ny zo hitsidika azy ao am-ponja:

We reiterate our call for the immediate and unconditional release of Ahmed Mansoor. Pending this, we urge the Emirati authorities to treat him in line with the UN’s Standard Minimum Rules for the Treatment of Prisoners, which guarantees the provision of medical care and sanitary prison conditions. To ensure this, it is imperative that international NGOs be allowed access to al-Sadr prison to visit Mansoor.

Hamafisinay etoana ny antso hamotsorana avy hatrany sy tsy misy fepetra an'i Ahmed Mansoor. Mandra-piandry izany dia mandrisika ny manampahefana emirati izahay hikarakara azy araka ny Fenitra ambany indrindra napetraky ny Firenena Mikambana hikarakarana ny gadra, izay miantoka ny fanomezaka fikarakarana azy ara-pitsaboana sy ny fahadiovan'ny fonja. Ho fiantohana izany dia tena ilaina tokoa ny ahafahan'ny FTMF iraisampirenena miditra ao amin'ny Fonja Al-Sadr hitsidihana an'i Mansoor.

Fantaro ny fiantraika ara-batana ny fanaovana fitokonana tsy hihinan-kanina araka ny fanazavana an-tsary eto ambany, izay natsangan'ny mpiara-miombona antoka aminay ao amin'ny isualizing Impact.