Tantara tamin'ny 17 Avrily 2019
Sambany hisy vehivavy hitarika oniversite eo amin'ny tantaran'ny firenena mozambikana
Mitovy amin'ny an'ny minisitra any Mozambika ny toerany ankehitriny amin'ny maha-lehiben'ny oniversitem-panjakana azy.
Manohy ny fitokonany tsy hihinan-kanina ny mpikatroka Emirati Ahmed Mansoor nogadraina
Migadra folo taona i Mansoor taorian'ny didy navoakan'ny fitsarana manameloka azy ho mamoaka torohay fôsika sy tsaho ao amin'ny media sosialy.
Gresy: Latsabatom-pitokisana sy Referandaoma ho avy
Ny takarivan'ny 31 Ôktôbra 2011, tamin'ny fanapahan-kevitra goavana ara-politika [el], nitaky latsa-bato-pitokisana avy hatrany tao amin'ny parlemanta ny Praiminisitra Grika George Papandreou ary koa fitsapankevi-bahoaka ho an'ny eny sa tsia amin'ny fampindramam-bola fara-fanavotana avy amin'ny Vondrona Eorpeana,
Oman: Notanana ilay bilaogera Muawiya Alrawahi
Notaterina tao amin'ny Twitter fa notanana noho ny bilaogin-dahatsoratra sy ny sioka sasantsasany izay nanakianany ny Sultan Qaboos bin Said, mpitondra an'i Oman ilay bilaogera Omani mivantambantam-piteny Muawiya Alrawahi , fantatra amin'ny heviny mampiadihevitra.
Fampiharana Walkie-Talkie, Zello voasakana ao Venezoela
Androany alakamisy maraina, nanomboka nitatitra ny Venezoeliana mponin'ny aterineto fa tsy nandeha intsony tamin'ny finday ny Zello, ilay tsindrio raha hiresaka "walkie-talkie". Venezoeliana maro no nampiasa ity fampiharana ity mba handaminana sy hifanakalozana vaovao momba ireo hetsi-panoherana nihamitombo haingana nandritra ny valo ambin'ny folo andro farany teo.