- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Gresy: Latsabatom-pitokisana sy Referandaoma ho avy

Sokajy: Eoropa Andrefana, Gresy, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana novambra 2011)

Ity lahatsoratra ity dia fitantarana manokana ataonay momba ny Eoropa anaty krizy [1]

From page of the Guardian newspaper featuring the Greek crisis, from @guardiannews [2]

Avy ao amin'ny pejin'ny gazety Guardian manasongadina ny krizy Grika, avy amin'ny @guardiannews

Ny takarivan'ny 31 Ôktôbra 2011, tamin'ny fanapahan-kevitra goavana ara-politika [3] [el], nitaky latsa-bato-pitokisana avy hatrany tao amin'ny parlemanta [4] ny Praiminisitra Grika George Papandreou ary koa fitsapankevi-bahoaka ho an'ny eny sa tsia amin'ny fampindramam-bola fara-fanavotana avy amin'ny Vondrona Eoropeana, no sady nitodika tamin'ny vondrona parlemantera avy amin'ny antokon'ny fitondrana PASOK. Na dia nanapaka fifidianana aza i Papandreou, dia mety hisy ny fifidianana mialoha, raha misy valiny ratsy amin'ny safidy sarotra amin'ny referandaoma.

Nahagaga ireo fahefana Eoropeana sy iraisam-pirenena ny vaovao, araka ny hita tamin'ny lahatsoratra avy amin'ny Guardian, [5] Reuters [5]CNN [6], ny New York Times [7] sy ny fampitam-baovao hafa.

Niresaka [8][el] tamin'ny vondrona parlemantera PASOK, nanambara ny Minisitry ny tetibola Evangelos Venizelos fa tokony ho raisina ho toy ny fidanadanana mankany amin'ny fisantarana andraikitra tsy mahazatra raisin'ny fanjakana ny fitsapa-kevi-bahoaka:

And of course, the intervening period until the referendum must be a time of big institutional and political initiatives. It is an opportunity to take unconventional, revisionist initiatives towards a new state, a modern representative constitution.

Ary mazava ho azy, tokony ho fotoana isantarana asa ho an'ny rafitra ara-panjakana sy ara-politika lehibe ny vanim-potoana hirotsahana an-tsehatra mandra-pahatongan'ny fitsapa-kevi-bahoaka. Fidanadanana hanaovana fisantarana andraikitra tsy mahazatra, mifanohitra amin'ny fananganana fanjakana vaovao, lalampanorenana maoderina mahasolotena.

Noho izany, nanome fanamby ho an'ny olom-pirenena izy, tamin'ny fametrahana ny safidy sarotra “mijanona ao amin'ny Eurozone sy miaraka amin'ny PASOK, na miverina amin'ny drachma (ventim-bola grika) sy ny fepetra ara-bola sarotra amin'ny fotoana aorian'ny ady”

Now citizens themselves will be called to answer, with logical cohesion and consistency, with a beginning, middle and end, by supporting the parliamentary majority: Are we for Europe? Are we for the Eurozone? Are we for Euro? Do we consider the balance as positive? Do we believe we should stay in this group of developed states and not go back to Greece of the drachma, or to Greece of the '60s and '50s?

Ankehitriny, ireo olom-pirenena mihitsy no hantsoina hamaly, ao anaty firindrana lojika sy misy ventiny, ahitana fiandohana, antenantenany ary ny farany, amin'ny fanohanana ny maro an'isa parlemantera: Manohana an'i Eoropa ve isika? Manohana ny Eurozone ve isika? Manohana ny Euro ve isika? Heverintsika ho toy ny zavatra tsara ve ny fandanjana? Mino ve isika fa tokony hijanona ao amin'ity vondron'ny firenena mandroso ity ary tsy hiverina any Gresy tamin'ny andron'ny drakma, na ho any Gresy taona '60 sy’ 50?

Nahazo fanehoan-kevitra miiba amin'ny ankapobeny ny fanambarana, amin'ny fanehoan-kevitra mitsikera ny fotoana nanambaràna ny  referandaoma ho avy, ary koa ny mety hisian'ny fifidianana tampoka. Maro ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter navoaka tamin'ny alalan'ny tenirohy  #dimopsifisma [9] sy #referendum [10]..

Antoko lehiben'ny mpanohitra, Demokrasia Vaovao nisioka hoe:

@neademokratia [11]: Elections are the only solution! http://ht.ly/7eoU6 [12]

@neademokratia [11]: Ny fifidianana ihany no vahaolana!

Mpanao gazety Diane Shugart naneho hevitra momba ny fanambarana tamin'ny fahitalavitra nataon'ilay tompon'andraikitry ny gazety ao amin'ny Antoko Komonista Grika (KKE):

@dianalizia [13]: and the fun starts now in #greece. communist party rejects referendum, calls for elections instead.

@dianalizia [13]: ary manomboka ao Gresy ny mahafinaritra ankehitriny. mitsipaka ny referandaoma ny antoko komonista, fa mitaky fifidianana izy ireo.

Foivos Panagopoulos ao Holandy naneho hevitra momba ny fiantraikan'ny referandaoma eo amin'ny toekarena manerantany.

@suorm [14]: The Greek #referendum is going to be a snowflake that's going to create a massive avalanche across the EU/Asian/NA market. Bye-bye EU right!

@suorm [14]: Ho vongan-dranomandry madinika hiteraka vongan-dranomandry goavana mety hianjera manerana ny tsenan'ny Vondrona Eoropeana/Aziatika/Amerikana Avaratra i Gresy. Veloma ry zon'ny Vondrona Eoropeana!

Ao Athene kosa, Εliana sy Cyberela maneho hevitra momba ny fanambarana tao amin'ny sioka anankiroa:

@Cyberela [15]: Too much democracy today in #Greece. #Referendum

Demokrasia be loatra androany ao #Greece. #Referendum

@ElianaVou [16]: Surreal is an understatement for today's events. Either PASOK has totally lost the plot or PASOK has totally lost the plot #dimopsifisma

@ElianaVou [16]: Mihoatra ny zava-misy (surréel) no azo ilazana ny zava-nitranga androany. Na PASOK very paikady tanteraka na PASOK very paikady tanteraka #dimopsifisma

Kyriakos Pierrakakis sy Maria Katsikovordou manontany tena amin'ny habetsaky ny fandaniana amin'ny fitsapan-kevi-bahoaka ao anatin'izao fotoan-tsarotra ara-bola izao:

@Pierrakakis [17]: Who'll incur the cost of the referendum?

@Pierrakakis [17]: Iza no hanome ny tetibidin'ny fitsapan-kevi-bahoaka?

@mariakatsme [18]: Good morning, let me be a bit “populist”: The referendum will cost us 110 million Euros #dimopsifisma. Maybe we should drop it and spare families from cutting off their electricity? #christmas

@mariakatsme [18]: Miarahaba, avelao aho mba ho “halam-bahoaka” kely: 110 tapitrisa Euros no tetibidin'ny fitsapa-kevi-bahoaka #dimopsifisma. Angamba tokony hiala amin'izany isika ary hisoroka ireo fianakaviana mba tsy ho tapaka herinaratra? #christmasu

Sofia Mandilara kosa tsy nanan-kolazaina tamin'ny fanehoan-kevitra avy hatrany avy amin'ny tsena iraisam-pirenena. [19]

@thesspirit [20]: Dow Jones drops by 275 points within minutes. No further comments.

@thesspirit [20]: Very isa 275 tao anatin'ny minitra vitsy i Dow Jones. Tsy misy fanehoan-kevitra fanampiny.

Maro ireo fanehoan-kevitra esoeso sy mampihomehy mitovitovy, mamelona ny sary-sy-soratra Twitter taloha iray ahitana ny mety ho fanontanian-tsafidy amin'ny fitsapa-kevi-bahoaka:

@YBoyio [21]: #42 is the answer to the Ultimate Greek Dilemma. The question of the referendum is still unknown! [“42″ is the answer to the unknown question about Life, the Universe and Everything, in Douglas Adams’ Hitchhikers’ Guide to the Galaxy [22]]

@YBoyio [21]: #42 no valinteny ho an'ny Safidy sarotra farany ao Gresy. Mbola tsy fantatra ny fanontaniana amin'ny referandaoma! [“42″ no valinteny ho an'ny fanontaniana tsy fantatra momba ny fiainana, ny tontolo sy ny zava-drehetra, ao amin'ny Hitchhikers’ Guide to the Galaxy [22]] an'i Douglas Adams

@arkoudos [23]: I propose to hold a referendum to decide on the question of the referendum #dimopsifisma

@arkoudos [23]: Manolo-kevitra aho mba hanao referandaoma hanapahana ny fanontaniana atao amin'ny referandaoma #dimopsifisma

@jasongrig [24]: Tolerance or guilt? #dimopsifisma

@jasongrig [24]: Fandeferana na meloka? #dimopsifisma

@IrateGreek [25]: Default or bankruptcy? #dimopsifisma

@IrateGreek [25]: Fahadisoana sa bankirompitra? #dimopsifisma

Telo andro mialoha, tamin'ny 28 Oktobra, nomarihana tamin'ny fihetsiketsehana [26] ny fankalazana ny tsingerintaonan'ny “Andron'ny Ochi” mba hahatsiarovana ny fampidirana an'i Gresy tao amin'ny Ady Lehibe Faharoa tamin'ny taona 1940.

Natao tamin'ny taona 1974 ny referandaoma Grika farany [27] [el], mba hanapahana raha atao fanjakana ara-dalàmpanorenana na demokrasia parlemantera ny rafi-panjakana.

Ny hajian-tsary dia mampiseho ny Praiminisitra Grika George Papandreou. Sary avy amin'i Xristina [28], copyright Demotix (01/11/2011).