- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogera Arabo nitaky ny famotsorana ireo mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona tany Syria

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Ady & Fifandirana, Fandrahonana-lalàna, Fanentanana, Hafanam-po, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, Feo voarahona, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2014 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Manohana ny famotsorana an'i Razan Zaitouneh, mpisolovava mpiaro ny zon'olombelona sady mpiara-manorina ny Foibe Mitatitra ny Fanitsakitsahana ny Zon'olombelona ao Syria [1] (SVDC) – vondron'ny sivily tsy mila herisetra mitantara ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Syria nanomboka tamin'ny volana Martsa 2011 ny mpandray anjara tamin'ny Fivorian'ny Bilaogera Arabo Fahaefatra [2]. Nalaina an-keriny tamin'ny 9 Desambra 2013 tany ambanivohitr'i Damaskaosy niaraka tamin'i Samira al-Khalil, Wael Hamada ary Nazim al-Hamadi, izay mpikambana ao amin'ny SVDC avokoa i Ramatoa Zaitouneh , 36 taona, izay niara-nahazo ny loka Sakharov avy amin'ny Vondrona Eoraopeana noho ny asany momba ny zon'olombelona.

Tao anatin'ny 33 volana taorian'ny fipoahan'ny fitroarana Syriana, nanjary loharanom-baovao lehibe ho an'ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao amin'ny firenena ny asa nataon'i Razan Zaitouneh niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy tao amin'ny SVDC. Nanjary zava-dehibe kokoa noho ny hatramin'izay ny asan'ny SVDC rehefa nandray ny fanapaha-kevitra [3] mampalahelo ny Firenena Mikambana tamin'ny tsy tokony hanaraha-maso ny isan'ny maty tany Syria.

Niasa tao anatin'ny toe-draharaha tena sarotra i Razan sy ny mpiara-miasa aminy, nanao vy very ny ainy mba hanatontosana ny asa manan-danja mba hahatakarantsika ny olan'ny vahoaka Syriana. Toy izany ihany koa ireo maro hafa, toa an'i Bassel Safadi, bilaogera mpiara-miasa – izay tany am-ponja nanomboka ny volana Martsa 2012 – ary niasa tamin'ny fampiroboroboana ny teknolojia open-source ho maimaim-poana sy malalaka, ary tena banga tokoa ny tsy fahatongavany tamin'ny Fihaonamben'ny Bilaogera Arabo Faha-4, izay natao ny 20 ka hatramin'ny 23 Janoary 2014 tao Amman, Jordania.

Amin'ny maha-vondrom-piarahamonina antsika dia manana andraikitra isika hiray hina amin'ireo mpikatroka manohana ny fahalalaham-pitenenana sy mampiharihary ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona eo amin'ny adidy amin'ny maha-olombelona hiombonantsika.

Mitaky amin'ny Firenena Mikambana sy ny firenena rehetra nandray anjara tamin'ny Fihaonamben'ny Fandriampahaleman'i Afovoany Atsinanana tao Geneve II [4] izahay ato amin'ny AB14 mba hametraka rafitra azo antoka mba hiarovana sy hanomezana antoka ny famotsorana ireo gadra noho ny fanehoan-kevitra sy ireo nalaina an-keriny tany Syria.