Tantara tamin'ny 16 Avrily 2019
Japana: Fandikanteny Ifarimbonana amin'ny Fotoan'ny Krizy
Niditra teo amin'ny sehatra iraisampirenena i Japana rehefa voadonan'ilay horohorontany nahatsiravina tamin'ny 11 Martsa 2011. Raha toa ka nikoriana avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao ireo fanadihadiana, hatsaran-tsitrapo, torohevitra sy fanomezana ara-bola maro, nanao izay vitany kosa ireo olompirenena tsotra, tamin'ny fandraisana anjara tanatin'irep tetikasa fandikan-teny ifarimbonana ohatra.
“Game of Thrones” (Lalaon'ny seza fiandrianana) sy ny Fiovàn'ny toetrandro: miomàna! tonga ny lohataona!
Alaivo sary ao an-tsaina ny tontolo iray misy ankolafy politika mitolona haka fahefana nefa tsy miraharaha ny loza iray mitatao tsy mbola hainy hatrizay hatrizay— nefa mety handringana ny fiarahamonin-dry zareo miaraka amin'ny tsy firaharahiana ny fetran-sisintany napetraky ny olombelona.
Ny t-shirt hafahafa nanaovan'ilay mpilalao baseball malaza misotro ronono Ichiro Suzuki no vao maika nankafizan'ny mpankafy azy bebe kokoa
Nanambara ny fisotroan-dronony vao haingana i Ichiro, ilay mpilalao baseball nahavita ny zava-bita tsara indrindra maro kokoa mihoatra ireo mpilalao hafa rehetra.
Mamelively mpianatra lisea iray mitsikera ny governemanta ny fampitam-baovao mpanohana ny fanjakana Hongroà
Niaritra fanaratsiana amin'ny fahaizany sy iharan'ny fanohintohinana ara-nofo mihitsy aza i Nagy, tamin'ny niantsoan'ny sehatra iray azy ho "makorelina".
Mety hampiditra anao am-ponja ny ‘J'aime’ Facebook any Thailandy
Manara-maso ireo mpisera amin'ny teny lehibe toy ny "fanonganam-panjakana", "fanjakana", "zava-mahadomelina", "fivarotan-tena" sy ireo teny hafa izay heverina ho manan-danja amin'ny fiarovam-pirenena ao amin'ny sehatra fifanakalozan-dresaka lehibe sy ny tambajotra sosialy ny manampahefan'ny polisy.
Bilaogera Arabo nitaky ny famotsorana ireo mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona tany Syria
Fanambarana navoakan'ny mpandray anjara tamin'ny Fivorian'ny Bilaogera Arabo Fahaefatra, manohana ny famotsorana an'i Razan Zaitouneh, mpisolovava mpiaro ny zon'olombelona sady mpiara-manorina ny Foibe Mitatitra ny Fanitsakitsahana ny Zon'olombelona ao Syria .
Venezoela: Nakatona ny Sary amin'ny Twitter, mbola mitohy ny fihetsiketsehana
Omaly, roa andro taorian'ny hetsi-panoherana goavana nanerana ny firenena, nitatitra olana maromaro amin'ny fidirana amin'ireo tranonkala sasantsasany ny mpiserasera Venezoeliana. Voalaza fa nosakanana ireo tranonkala maromaro, ary tsy afaka nijery sary sy lahatsary ao amin'ny tranonkala tambajotra sosialy ny mpisera Twitter, izay tena nilaina tamin'ny fifandraisana tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana.