- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tari-dia: Toro-hevitra SEO ho an'ireo bilaogera mpanandra-teny

Sokajy: Mediam-bahoaka, Solovava, Torolalana, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Avrily 2010)

Guide: SEO Tips for Advocacy Bloggers [1]

Ny Global Voices Advocacy dia faly amin'ny famoahana ny andiany faha-telo amin'ny Toro-lalana Advocacy 2.0 [2]: toro-hevitra SEO ho an'ireo bilaogera Advocacy [3]: Ahoana no fampiharana ny fanatsarana amin'ny milina fikarohana ny fampitomboana ny isan'ny mpamaky anao sy hisarihana olona bebe kokoa. Nosoratan'ny namako sady mpiara-miasa amiko, The Sudanese Thinker, [4] mpanoratra ato amin'ny Global Voices [5], mpanolo-tsaina momba ny haivarotra antserasera sy ny fihariana antserasera manana fifantohana amin'ny SEO sy amin'ny endrika fitantanana antserasera manokana an-tarehimarika fito,

Ny tanjon'ny tari-dalana dia ny manazava hoe inona no atao hoe fanatsarana amin'ny milim-pikarohana, ny maha-zava-dehibe azy sy ny fomba ahafahan'ny bilaogera mpanandra-teny mampiasa azy mba hampitombo ny fifamoivoizana sy ny mpamaky azy ireo ary hisarihana ny hevitr'ireo mpikaroka. “Ity toro-lalana ity dia tsy tokony horaisina ho fomba feno amin'ny SEO. Voasoratra amin'ny fomba tena tsotra izy io, ka na ny tsy teknisiana aza dia mahita izany fa mora harahana sy hahazo tombontsoa amin'izany:”

Countless advocacy bloggers throughout the world blog their hearts out every day because they want to be heard and desire to create positive impact.

However, the reality is that for too many of us, it can be a frustrating experience.

After all, most individual blogs receive very little traffic. You write and publish, but hardly anyone reads what you have to say.

Hardly anyone comments.

The good news is, the situation doesn’t need to be this discouraging for bloggers who go through it.

This is where the guide you’re reading comes in. Its purpose is to explain what search engine optimization is, its importance and how advocacy bloggers can use it to:

  1. Increase their traffic and readership
  2. Influence the opinions of searchers

So, if you’re an advocacy blogger or wish to be one, buckle your seat belt and get ready, because you’re about to learn some simplified SEO tricks.

Bilaogera mpanandrateny tsy tambo isaina manerana izao tontolo izao no mibilaogy amin'ny fony isan'andro, satria te-ho henoina sy maniry hamorona fiantraikany tsara izy ireo.

Na izany aza, ny zava-misy dia mety ho traikefa mahaketraka izany ho an'ny maro amintsika, .

Raha ny tena izy, dia vitsy ny mpamaky ny ankamaroan'ny bilaogy tsirairay. Manoratra sy mamoaka ianao, saingy tsy misy olona mamaky izay tokony holazainao.

Zara raha misy olona maneho hevitra.

Ny vaovao tsara dia tsy ilaina ho mahakivy ny bilaogera izany toe-javatra izany.

Eto no misy ny torolàlana azonao vakiana. Ny tanjona dia ny manazava ny atao hoe fanatsarana amin'ny milina fikarohana, ny maha-zava-dehibe azy ary ny fomba ahafahan'ny bilaogera mpanandrateny mampiasa azy mba:

1.Hampitombo ny fifamoivoizana sy ny mpamaky
2.Hitarika ny hevitry ny mpikaroka

Noho izany, raha bilaogera mpanandrateny ianao na te-ho iray amin'izany, dia fatory ny fehikibo fiarovanao ary miomàna, satria eo an-dalam-pahafantarana ny fikafika tsotra momba ny SEO ianao.

Famintinana ny toro-lalana

[download#20#nohits]

SEO Tips for Advocacy Bloggers [3] dia azo trohana [3] amin'ny endrika  PDF. Mety mila mametraka Adobe Acrobat Reader [6] maimaim-poana ianao raha hijery izany.

Trohy ny toro-lalana SEO Tips for Advocacy Bloggers [3] ary ampio izahay handika izany amin'ny fiteninao.