Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

01 Avrily 2019

Tantara tamin'ny 01 Avrily 2019

Fitempon'ny Tontolom-bolongana Saodiana

Ndeha hatombontsika amin'ny fandrakofana an'ireo media iraisam-pirenena mikasika an'i Arabia Saodita ny famintinantsika an'ity herinandro ity, izay nisarika ny sain'ireo blaogera marobe. Mandefa fanehoankevitra iray i Mansur tao anatin'ny tantara iray an'ny tranonkala an'ny BBC.

#WelcomeHomeAlaa: Navotsotra i Alaa Abd El Fattah, mpikatroka, rehefa nigadra dimy taona

Feo mpitarika i Alaa teo amin'ny bilaogera ejiptiana sy mpikatroky ny teknolojia tao Kairo rehefa antomotra sy nandritra ny revolisiona ejiptiana.

Tari-dia: Toro-hevitra SEO ho an'ireo bilaogera mpanandra-teny

Ny Global Voices Advocacy dia faly amin'ny famoahana ny andiany faha-telo amin'ny Toro-lalana Advocacy 2.0: toro-hevitra SEO ho an'ireo bilaogera Advocacy : Ahoana no fampiharana ny fanatsarana amin'ny milina fikarohana ny fampitomboana ny isan'ny mpamaky anao sy hisarihana olona bebe kokoa.

Mikasa ny hamonjy ilay ‘reny tena mahafinaritra indrindra eto ambonin'ny tany’ ao amin'ny tobin'i Shina ny lehilahy Uyghur iray

"Tsy misy dingana arahina, tsy misy fitsarana, ary tsy misy mahafantatra hoe rahoviana izy ireo no hivoaka."

Noraràn'i Bahrain ny vondrona chat amin'ny BlackBerry

Takiana ankehitriny ny vondrona chat BlackBerry mba hahazo fahazoan-dàlana sahaza avy amin'ny  Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Fampahalalam-baovao alohan'ny hamelana azy ireo hanohy ny asa.

Nanakatona ny bilaogin'ilay mpikatroka mpandala ny zon'olombelona i Syria 

Nosakanan'ny manampahefana Syriana ny fidirana tao amin'ny bilaogin'ilay  mpikatroka mafàna fo mpiaro mpiaro ny zon'olombelona sady bilaogera Mohammad Al-Abdallah, 26 taona izay nibilaogy tao amin'ny Raye7wmishRaj3  (Lasa aho ary tsy hiverina).  Afaka nidirana ilay bilaogy voasakana tamin'ny alàlan'ny HTTPS na tamin'ny alàlan'ny http://rwmr.wordpress.com/