- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Natambatra ny sivana 

Sokajy: Iràna, Lalàna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanambara [1] ny manampahefana Iraniana fa ho atambatra ny politikan'ny sivana ao amin'ny firenena. Araka ny filazan'ny manampahefanan'ny Repoblika Islamika,  nahazo ny fifanarahana mba ho tompon'andraikitra amin'ny fanivanana ao amin'ny firenena ny orinasa Iraniana iray, izay tsy nambara ny anarany.