Tantara tamin'ny 27 Marsa 2019
Tian'ireo Kolombiana mpanao gazety ireto ampahafantarina anao fa tsy maherifo izany Pablo Escobar izany
"Nanery anay io 'maherifo' io hipetraka an-trano, hiahiahy ny hafa rehetra, ary hamaly amin'ny tifitra sy ny herisetra."
DigiGlot Newsletter: Mitondra vaovao tsara sy vaovao ratsy ho an'ny fiteny an-dalampahaverezana sy ny vitsy an'isa ny zava-baovao Fahaizana Artifisialy

Ny DigiGlot Newsletter dia famoahana iombonana mivoaka indroa isan-kerinandro ary mitatitra ny fomba ampidirana ireo fiarahamonin'ny fiteny vitsy an'isa sy an-dalampahaverezana ao anatin'ny teknolojia mba hanova ny tontolon'ny aterineto.
Vietnam: Nosamborina ilay bilaogera Dieu Cay

Nosamborina i Nguyen Van Hai, olon-tsotra mpitati-baovao fanta-daza any an-toerana izay mibilaogy amin'ny anarana hoe Dieu Cay raha niezaka nandamina ireo bilaogera tao an-toerana izy mba hanaraka ny fandalovan'ny afo.
Jordania: Fanehoan-kevitra amin'ny fananganana governemanta vaovao
Taorian'ny fifidianana parlemantera tamin'ny 9 Novambra tao Jordania, nankatoavin'i Mpanjaka Abdulla ny governemanta vaovaon'ny praiminitra Samir Rifai tamin'ny Alarobia 24 Novambra. Feno fanehoan-kevitra ny Twitter, izay maro no nankasitraka ny fanendrena.
Iran: Natambatra ny sivana

Nanambara ny manampahefana Iraniana fa ho atambatra ny politikan'ny sivana ao amin'ny firenena. Araka ny filazan'ny manampahefanan'ny Repoblika Islamika, nahazo ny fifanarahana mba ho tompon'andraikitra amin'ny fanivanana ao amin'ny firenena ny orinasa Iraniana iray, izay tsy nambara ny anarany.