- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitaky valinteny ireo mpikatroka iray volana taorian'ny famonoana ilay mpanao gazety mpanao fanadihadiana Ghaneana

Sokajy: Afrika Mainty, Ghana, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Ahmed Hussein-Suale Divela [Sary avy amin'ny Komity Mpiaro ny Mpanao Gazety]

Mitaky valinteny sy fijerena lalina momba ny zava-nitranga tamin'ity fahafatesana mahatsiravina nahazo azy ity ireo mpikatroka iray volana taorian'ny nitifirana ilay Ghaneana mpanao gazety mpanao fanadihadiana Ahmed Hussein-Suale Divela tao anaty fiarany tao Madina, Ghana.

Nanao diabe am-pilaminana ho firaisankiana [1] tao Accra tamin'ny tapaky ny volana Febroary ny vondrona Fikambanan'ny Gazety ho Fampandrosoana (United Press for Development ) mba hilazana hafatra ho an'ny mpitandro filaminana fa tsy mbola fantatra na voampanga hatramin'izao ireo namono an'i Divela. Milaza izy ireo fa hitohy hatrany ny diabe raha tsy maharay valinteny ny vondrona.

Manaitra ny saina amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Ghana ny famonoana an'i Divela, izay tsy dia fahita firy ny famonoana feno herisetra an'ireo mpanao gazety, araka ny filazan'ny Komity Mpiaro ny Mpanao Gazety [2] .

Nilaza anefa i Kofi Asante, mpikarakara ilay vondrona, fa naharay “famonoana mpanao gazety miisa 31 tao Kumasi [3] ny vondrona ka novonoina tamin'ny taona 2018 ny sasany tamin'izy ireo ary ny tena mahasadaikatra dia nekena ho firenena voalohany amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety taty Afrika ary faha 23 manerana izao tontolo izao i Ghana.”

Iza moa i Ahmed Hussein-Suale Divela?

Niasa niaraka tamin'ny Tiger Eye Private Investigations, sehatra fanaovan-gazety mpanao famotorana notarihan'i Anas Aremeyaw Anas [4] i Ahmed Hussein-Suale Divela. Nampiseho olo-malaza maro be manerana an'i Afrika ny fomba fiasan'izy ireo tsy mahazatra sady niteraka resabe amin'ny fanaovany fanadihadiana ny asa  fanaovan-gazety .

Vao haingana i Divela no nandray anjara tamin'ny asa fanadihadiana izay nahitana an'i Kwesi Nyantakyi, filohan'ny federasiona baolina kitra tao Ghana teo aloha, izay sady mpikambana teo aloha tao amin'ny Vaomiera Ankapobeny ao amin'ny FIFA, ary voampanga ho nandray kolikoly mitentina 65.000 $ Amerikana. Nosazian'ny vaomiera ara-pitsarana ao amin'ny FIFA  i Nyantakyi tsy handray anjara mandrapahafaty [5] amin'ny hetsika rehetra mifandraika amin'ny baolina kitra .

Nanambara ny famonoana an'i Divela i Anas tao anaty sioka nahitana horonantsary misy azy sy ny mpikambana parlemantera Ghaneana Kennedy Agyapong [6] niresaka mivantana tamin'ny fahitalavitra tamin'ny volana May 2018:

Vaovao mampalahelo kanefa tsy tokony hampanginina isika. Mandria ampiadanana, Ahmed.

Tamin'ny volana Septambra 2018, niantso ny Komity Mpiaro ny Mpanao Gazety [11] i Divela tamin'ny alàlan'ny WhatsApp fa misy “olo-malaza ao Ghana mikasa ny hanao ratsy azy” taorian'ny namoahan'i Agyapong ny sariny tao amin'ny fahitalavitra NET 2 TV  tamin'ny volana May 2018.

Since my image was published and [the] public was incited against me […] many people have attempted [to attack me]. These criminals after us are people who are […] associated with powers that be in Ghana and can do anything and get away with it. Indeed, it [has] been hinted in some quarters that the very man who published [my image] said he was doing everything possible to quell [my] existence.

Koa satria navoaka ny sariko ary norangitina hanenjika ahy [ny] vahoaka […] dia maro ny olona no nikasa [hamono ahy]. Mifandray amin'ny fitondrana ao Ghana izay afaka manao ny zava-drehetra ary miala fotsiny avy eo ireo jiolahy mpamono olona manenjika anay ireo […]. Eny tokoa, nandeha ny feo tany amin'ny faritra sasany fa nilaza ilay lehilahy izay namoaka [ny sariko] fa hanao izay ho afany izy mba hanafoanana ny fisia[ko].

Manan-kery ny tenin'ny solombavambahoaka

Efa 19 taona no solombambahoaka i Agyapong, mpikambana ao amin'ny Antoko Tia Tanindrazana Vaovao mitondra amin'izao fotoana. Tamin'ny ady ataony manohitra ny kolikoly, fantatra amin'ny fanaovana kolikoly hamelezana ireo manampahefana politika mpanao kolikoly – indrindra fa ireo ao amin'ny antoko misy azy [12] i Agyapong .

Teraka ny adihevitra mikasika ny hoe moa ve mety nahatonga ny famonoana azy sa tsia ny fanamarihana navoakan'i Agyapong mivantana tao amin'ny fahitalavitra tao amin'i Divela:

The boy is very dangerous. He lives here in Madina. If you meet him somewhere, break his ears. If he ever comes to this premises [sic], I'm telling you, beat him.

Tena mampidi-doza ilay zazalahy. Mipetraka eto Medina izy. Raha mifanena aminy ianao any an-toeran-kafa any, vakio ny vavany. Raha tonga mandalo ao amin'ireo toerana ireo izy, miteny aminao aho, vonoy izy.

Nanamarina ny fihetsiny i Agyapong ary nilaza fa tsy natao handrisihana herisetra ny fanehoan-keviny ary niresaka momba ny disadisa izay voalaza fa nananan'i Divela tamin'ny iray tamin'ireo mpikambana tao amin'ny ekipany i  Agypong. Ao amin'ny lahatsary iray hafa [13] , nilaza i Agyapong fa i Anas no olona ahiahiana voalohany amin'ny fahafatesan'i Divela. Hanome valisoa mitentina 100.000 Cedi Ghaneana [14] (eo amin'ny 19.000 dolara Amerikana) ho an'ny olona izay mahita ilay namono an'i Divela izy mba ho porofo fa tsy niantso ny famonoana azy .

Niala tao Ghana [15] i Agyapong rehefa avy nohadihadian'ny polisy [16]nandà [17] mafy izy fa tsy nandositra an'i Ghana na notondroina ho voampanga.

Olona enina mifandray amin'ny famonoana an'i Divela no voasambotra ary navotsotra vonjimaika rehefa nandoa antoka. Milaza ny polisy fa  “mifototra amin'ny ahiahy mitombina” ny fisamborana [18]. Na dia izany aza, mbola tsy navoaka ny momba ireo olona ireo.

Asa fanaovan-gazety mampidi-doza

Nahazo fandrahonana ho faty nandritra ny taona marobe ny Tiger Eyes Investigations ary voampanga ho nampiasa teknika tsy araka ny tokony ho izy izay manitsakitsaka ny etikan'ny asa fanaovan-gazety.

Na dia tsy misy porofo aza mampiseho fa nanome baiko i Agyapong tamin'ny famonoana an'i Divela, ny teniny dia manan-kery ary nolazaina tao amin'ny fahitalavitra iray izay azy ihany.

Nanambara ny tatitra nataon'ny CPJ [19] fa manodidina ny 53 ireo mpanao gazety manerana izao tontolo izao no novonoina tamin'ny taona 2018,  “ny 34 tamin'ireo no lasibatra tamin'ny famonoana noho ny asany.” Mpanao gazety miisa 102 no novonoina noho ny asany teo anelanelan'ny  taona 2016 sy 2017. Ary maherin'ny arivo ireo mpanao gazety novonoina tao anatin'ny folo taona (2006-2017) araka ny tatitra nataon'ny UNESCO [20] .

Niteraka hatezerana maneran-tany ny famonoan'ny manampahefana ao amin'ny governemanta Saodiana tao amin'ny Masoivohon'ny Arabia Saodita tany Istanbul tamin'ny 2 Oktobra 2018 ilay mpanao matoandahatsoratra Jamal Ahmad Khashoggi [21] avy ao amin'ny The Washington Post,  izay nalaza be tamin'ny vaovao.

Nisy namono [22] tamin'ny volana Desambra 2018 i Awil Dihar Salad, mpanao gazety matihanina any Somalia. Nandositra an'i Somalia i Salad tamin'ny taona 2005, satria natahotra izy sao lasibatra, saingy niverina avy eo ary nisy namono.

Tamin'ny voalohandohan'ny volana Jolay 2018, mpanao gazety Rosiana miisa telo no novonoina tao amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany raha “nanadihady [23] ny asan'ny vondrona antsoina hoe Wagner izay vondrona miaramila tsy miankina.”

Toy ny fanaovana sonia amin'ny baikon'ny fahafatesana ny fidirana amin'ny asa fanaovan-gazety mpanao famotorana. Maro amin'ireo governemanta Afrikana no miasa ao anatin'ny tsy fangaharaharana ary manohitra mafy ny fikasana hanehoana ny marina. Tsy misy dikany ho an'ny ankamaroan'izy ireo raha ny hakelin'ny karama izay raisin'ireo mpanao gazety no hanaovany vy very ny ainy .

Na izany aza, tsy ho adinoina ny fahafatesan'i Divela ary mbola velona ny asany.  Mbola hanohy ny diabeny mandra-pisian'ny vahaolana ireo mpanao gazety sy mpikatroka .