Tantara tamin'ny 12 Marsa 2019
Iharan'ny fanafihana ny hetsika ho an'ny demaokrasia any Vietnam

Iharan'ny fanafihan'ny fanjakana indray ny hetsika prô-demaokraty miha-mitombo any Vietnam. Nosamborina ny voalohandohan'ny volana Jolay 2009 ilay bilaogera prô-demaokraty Nguyen Tien Trung.
Shina: Mitsikilo ny fivezivezin'ny mpiserasera amin'ny finday

Araka ny voalazan'ny Beijing Morning Post tamin'ny 2 Martsa 2011, havadiky China Mobile Beijing ho fitaovana fanarahamaso ireo finday miisa 17 tapitrisa. Afa-manaraka ny fivezivezen'nyolona 24 ora isan'andro ny rafitra fitsikilovana.
Mitaky valinteny ireo mpikatroka iray volana taorian'ny famonoana ilay mpanao gazety mpanao fanadihadiana Ghaneana
Niantso ny Komity Mpiaro ny Mpanao Gazety i Divela tamin'ny alàlan'ny WhatsApp fa misy "olo-malaza ao Ghana mikasa ny hanao ratsy azy" taorian'ny namoahana ny sariny tao amin'ny fahitalavitra .
Mandray anjara amin'ny toekarenan'i Hong Kong ny vahiny mpiasa an-trano fa tsy manana ny servisy ara-bola fototra
"Heverina ho toy ny vahiny izahay, sokajin'ny mpiasa ambany nefa dia ny governemanta no nanosika ny politika sy ny fampiharana manoka-monina ny vahiny mpiasa tsy ho tafaraka amin'ny vahoakan'i Hong Kong iray manontolo."
Mozambika: Adihevitra mikasika ny fanoratana anarana amin'ny karatra SIM

Fotoana fohy taorian'ireo hetsi-panoherana tamin'ny Septambra tany Maputo nokarakaraina tamin'ny alalan'ny SMS, navoakan'ny governemanta Mozambikana ny didy Ministerialy manery ireo mpampiasa finday naloa mialoha tao amin'ireo tambajotra nasionaly roa mba hanoratra ireo karatra SIM-ny ao anatin'ny iray volana. Hetsi-panoherana sy fitaredretra be loatra miohatra amin'izay takian'ilay lalàna no naterak'ilay dingana.
Julian Assange mikasika ny Fiandrianana sy Fanarahamaso Niomerika, Tao amin'ny #NETmundial2014

Nandritra ny fivoriana niarahana tamin'i Jacob Appelbaum, Sérgio Amadeu sy ireo mpitarika maro hafa ao amin'ny sehatry ny fandriampahalemana sy fiarovana ny fiainana manokana niomerika, nieritreritra ''fitsinjaram-pahefana'' tarihan'olontsotra i Assange.
Iran: Bilaogera voasazy higadra 17 volana

Voasazy higadra 17 volana an-tranomaizina i Peyman Roshan Zamir, bilaogera sady mpikatroka ara-politika avy ao an-tanàna atsimon'i Ahwaz. Voampanga ho nanevateva ny mpitarika ny repoblika Islamika sy nanao fampielezan-kevitra manohitra ny fitondrana izy.