- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Mety hiatrika sazy ho faty ilay bilaogera

Sokajy: Iràna, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2011)

 Nitatitra [1] [fa] ireo bilaogera sy tranonkala maromaro fa mety hiatrika fiampangana “fihantsiana ady amin'Andriamanitra” i Mohammad Reza Pour Shajari, bilaogera any am-ponja. Azo tononina ho azy ny sazy ho faty amin'izany tranga izany. Nitsikera ny Islamo sy ny Repoblika Islamika tao amin'ny bilaoginy, Iran Land's Report [2] izy.