Miala tsiny. TOT Plc., amin'ny maha-fikambanana ho an'ny vahoaka Thailandey azy, dia nametra ny fidirana amin'ity tranonkala ity satria misy votoaty, lahatsoratra, ary/na sary tsy mendrika ka misy fiantraikany amin'ny sain'ny vahoaka Thailandey manerana ny firenena izany ka tsy azo ekena. “
( Loharanon-tsary: National Blockpages Gallery [3] tao amin'ny Prachatai.com [2] | Global Voices Advocacy Blog [4] )
Ny 22 Aogositra 2007, nosakanan'ny [2] TOT [5] (Manampahefan'ny Fifandraisandavitra) ny fidirana tamin'ny sehatra famahanana bilaogy wordpress.com ka tsy nahafahan'ny mpisera Aterineto Thailandey hiditra tamin'ny WordPress Thailandey [6] sy ny bilaogy rehetra miantrano ao amin'ny wordpress.com [7] . “ Nisy fanamarihana miseho rehefa miezaka ny miditra amin'ny pejy WordPress: ” Miala tsiny. TOT Plc., amin'ny maha-fikambanana ho an'ny vahoaka Thailandy azy, dia nametra ny fidirana amin'ity tranonkala ity satria misy votoaty, lahatsoratra, ary/na sary tsy mendrika ka misy fiantraikany amin'ny sain'ny vahoaka Thailandey manerana ny firenena izany ka tsy azo ekena. “
Nanamafy ny Fahalalahana Manohitra ny Sivana [8] ao Thailandy (FACT) fa “ mbola tsy azo nidirana ny WordPress.com tao amin'ny tolotra TOT hatramin'ny alin'ny zoma 24 Aogositra 2007. Tsy misy hamantarana izany mihitsy satria indraindray azo nidirana indraindray tsy azo nidirana izany. “
Ny 17 Aogositra 2007, nanakana [9] ny fidirana tamin'ny sehatra wordpress.com [9] iray manontolo ny fitsarana sivily Fatih faharoa ambaratonga voalohany Tiorka taorian'ilay voalaza fa fanalam-baraka an'ilay mpandala ny famoronana Islamika [10] Tiorka, Adnan Oktar, fantatra amin'ny anarana hoe Harun Yahya [11] .