Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

13 Febroary 2019

Tantara tamin'ny 13 Febroary 2019

Ny fandresena vinavinaina ho lasan'ilay kandidan'ny mpanohitra sangany voampanga ho nanao kolikoly ao Nizeria

Nanambara ny fanadihadiana natao momba ny safidin'ny vahoaka fa nanatombo roa ambin'ny folo isanjato ny vato azon'ny kandidàn'ny mpanohitra Atiku Abubakar manoloana ny filoha amperinasa Muhammadu Buhari, amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena Nizeriana amin'ny 16 Febroary izao.

Voampanga ho “nikasi-tanana zatovolahy” tao Kashmir ilay lehiben'ny tafika nomena mari-boninahitra 

Resabe taorian'ny fiampangana ilay lehiben'ny tafika Indiana nomena mari-boninahitra ho nikasi-tanana zatovolahy iray tao Kashmir.

Iran: Rehefa jerena amin'ny alalan'ny sivana ny aterineto

GV Mpisolovava

Manana fiarahamonina antserasera manan-danja eo amin'ny bilaogy mavitrika 60.000 i Iran ary olona hatramin'ny 20 tapitrisa no mifandray amin'ny aterineto. Satria mavitrika ny tontolon'ny aterineto Iraniana, dia toy izany koa ny fanivanana ataon'ny governemanta amin'ny votoaty azo idiran'ny olom-pirenena Iraniana.

Shina: Fisaonana ho an'ireo tranonkalan'ny manam-pahaizana

GV Mpisolovava

Tamin'ity herinandro ity, tranonkala roa manan-danja maro no voatery nakatona, ny iray Pauwang (泡網), ny iray hafa Wei-cheng Za-Wan (圍城 雜文).

Voafetra ve ny asa fanaovan-gazety any Taiwan ?

GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nilaza ny tatitra fa mametra ny asa fanaovan-gazety i Taiwan ary nahemotry ny Freedom House ny laharan'ity firenena nosy ity tao amin'ny tatitra momba ny fahalalahana an-gazety manerantany isan-taona. Araka ny The Christian Science Monitor “Freedom of speech and press...

Thailandy: Voasakana ny WordPress.com

GV Mpisolovava

Miala tsiny. TOT Plc., amin'ny maha-fikambanana ho an'ny vahoaka Thailandey azy, dia nametra ny fidirana amin'ity tranonkala ity satria misy votoaty, lahatsoratra, ary/na sary tsy mendrika ka misy fiantraikany amin'ny sain'ny vahoaka Thailandey  manerana ny firenena izany ka tsy azo ekena. "