- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Fanesorana ireo vondrona antserasera (E-group) ao amin'ny Douban.com

Sokajy: Shina, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary 2009)

Voatery nanakatona ny sasany tamin'ireo vondrona antseraserany ny Douban.com [1],  iray amin'ireo tranonkala Web 2.0 malaza indrindra ao Shina noho ny fanentanana anti-Smuts [2] vao haingana. Na dia izany aza, ara-tsosialy sy ara-politika amin'ny endriny fa tsy baranahiny na tsy mendrika ny ankamaroan'ireo vondrona antserasera nofafana.

Peter Guo avy ao amin'ny Amoiist nanoratra tao amin'ny bilaoginy fa naharay fanamarihana 30 avy amin'ny Douban momba ny fanesorana ireo vondrona antserasera izy tao anatin'ny 3 andro [3]. Ankoatra ny fanafoanana ny vondrona, nodiovin'ny orinasa ihany koa ny kaontin'ny mpiserasera. Tamin'ny 8 febroary, nahita i Peter fa nofafana ny kaontiny.

Napetraka ny Douban mamafa bilaogy  [4]mba hanangonana ireo fanamarihana mikasika ny famafàna. Mba hanomezana hevitra ny mpamakintsika momba ilay antsoina hoe politika anti-Smuts ao douban, ity ny lisitry ny vondrona sasany voafafa (tsy misy ifandraisany amin'ny votoaty baranahiny ny ankamaroany):

1.Akoho kely: 雞雞很小
2. Trano-patin'ny Douban: 豆瓣停屍間
3. Hira momba ny loto ao amin'ny aterineto: 網絡歌曲污染小組
4. Hetsika antserasera: 線上活動
5. Tobin'ny mpitsoa-ponenana sy mpialokaloka ao Douban: 豆瓣流亡與避難小組
6. He Weifang: 賀衞方小組
7. Vondrona mamaky momba ny zon'olombelona: 人權閱讀小組
8. Vondrona Liberalisma: 自由主義小組
9. Avelao izahay hangina miaraka amin'ny fampiononana lehibe: 讓我們深情款款的互相沉默吧
10. Vondrona silamo: 回民小組
11. Tsiambaratelo 2:  小組
12. Raha famantarana ara-psikôlôjia ny firenena: 如果國家是一種心理認同小組
13. Hevitra lany daty: 不合時宜的思想小組
14. Votoaty baranahiny sy mirindra: 內容低俗和諧組
15. Vondrona miahiahy momba ny tranonkala ofisialy Chosun: 關注朝鮮官網
16. Herisetran'ny ekipa mpitantana ny tanàna: 城管暴行小組
17. Mandatsa-dranomaso eo anoloan'ny Mozaika: 站在碼賽克前面泪流滿面小組
18. Mainty mijoro: 黑立小組
19. BS Global Times: BS 環球時報小組
20. Hevitra ny bilaogera any lavitra: 博客思想的距x界
21. Herinandro tao Azia: 亞洲周刊小組
22. Vondrona Bullog: 牛博群
23. Ran Yunfei: 冉云飞小組
24. Sary- anti smuts, akanjo ho an'ny hosodoko lehibe: 活動照片﹣反低俗!給名畫穿衣服
25. Tany afaka: 自由之地
26. Manohitra ny nasionalisma tery saina: 反對狹隘民族主義小組
27. Tokony olon-dehibe matotra ianao: 你應該是一個成熟的成年人了吧
28. 29 Aprily: 4月29日小組
29. Fisaonana ho an'i Zhang Zhixin: 掉念張志新
30. Manohitra ny teny XX: 反xx字小組
31. Fiarahamonina mirindra 4.0: 和諧社會4.0小組
32. Vondro-pikarohana momba ny fifehezana ny vaovao anaty aterineto: 學習研討互聯網信息服務管理辦法小組
33. Vazivazy ratsy: 黑色幽默
34. Faran'ny herinandro tavaratra2.0: 北方周末2.0
35. Faran'ny herinandro tavaratra: 北方周末
36. Vondrona Douban: 豆瓣小組
37. Vondrona mpanohana ho an'ny faran'ny herinandro Tatsimo: 南方周末輔組
38. Faran'ny herinandro Tatsimo: 南方周末
39. Vondrona Douban NZ: 豆瓣NZ
40. Fiarahamonina mirindra 6.0: 和諧社會6.0
41. Fiarahamonina mirindra 5.0: 和諧社會5.0
42. Afaka manimba voninkazo i Douban saingy tsy afaka manakana ny lohataona tsy ho avy: 豆瓣可以摧毁花朵,但不能阻擋春天小組

Araka ny Wikipedia [5], tamin'ny taona 2008, manana mpiserasera teo amin'ny 1,2 tapitrisa ny Douban.com ary ny laharana faha-74 amin'ireo tranonkala malaza indrindra ao Shina. Napetraka tamin'ny 26 Martsa 2005 ny tranonkala, izay manome tolotra tambajotra sosialy sy tahiry an-tserasera ho an'ny sarimihetsika, boky ary mozika.