- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lahatsary: ​​Ahoana ny ataon'ny polisy sy ireo manampahefanan'ny fadintseranana amin'ireo bilaogera rehefa any amin'ny seranam-piaramanidin'i Cairo?

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny 21 Oktobra 2009, nosakanan'ireo mpitandro ny filaminana tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Cairo ilay bilaogera Ejiptiana Wael Abbas [1] raha handeha hiverina tany Cairo iny izy. Tamin'ny fotoana roa nandalovany [2] tao amin'ny seranam-piaramanidina dia tsy nandeha niaraka tamin'ny solosainany enti-tanana na ny kapila CD-ny, na ny mémoire flash sy ny carte mémoire-ny i Abbas satria nogiazana [3] tamin'ny fiandohan'ny taona 2009 izany. Noho izany dia tsy nisy na inona na inona nogiazana tamin'ity indray mitoraka ity.

Saingy nokarohin'ireo manampahefana ny kitapon'i Wael, nisava ny zava-drehetra tao. Nisy ihany koa ny fikasana haka ny fakantsariny, saingy nanapa-kevitra ny hamela izany ilay manampahefana rehefa tsy nahavita namelona ilay fakantsary.

Azon'ireo bilaogera sy mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona sary ilay manampahefana nikaroka ny kitapon'i Abbas.