- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tafatafa miaraka amin'i Eman AbdElRahman

Sokajy: Hafanam-po, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2009)

http://blip.tv/play/g80XgbWbZwA

Eman AbdElRahman na “Lasto Adri” no mpanangom-baovao momba an'i Ejipta ao amin'ny Global Voices [1] ary tena mavitrika amin'ny tetikasa Kolena Laila [2] (amin'ny teny anglisy ato [3]). Manokana andro isan-taona [4] mba hanentanana momba ireo olana “atrehin'ny vehivavy mijaly ao amin'ny faritra Arabo” ny tetikasa.

Mamoaka lahatsoratra ao amin'ny bilaoginy manokana Lasto Adri [ar] [5] sy ao amin'ny On My Own [en] ihany koa izy. Azo jerena ao amin'ny Twitter, @lastoadri  [6]ihany koa izy.