- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Nampitandreman'ny fiarovam-pirenena ny bilaogera iray mba tsy hanohy hanoratra ao amin'ny aterineto

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2009)
fares 31.jpg
Nampanantsoina tany amin'ny foiben'ny Fiarovam-pirenena ilay bilaogera Ejypsiana Abdel Rahman Fares [1], izay nomena tsiny noho ny asa sorany antserasera. Nampitandremana i Fares fa hosamborina izy raha mbola manohy mibilaogy, ary nangatahana mba hanajanona ny zavatra ataony amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto.

Mibilaogy ao amin'ny Lesani Howa Qalami [1] (ny lelako no peniko) i Fares. Tamin'ny zoma 25 Septambra 2009, nahazo antso an-tariby avy amin'ny Fiarovam-pirenena izy ary nametrahana fanontaniana maromaro mifandraika amin'ny bilaoginy, ary avy eo nampanantsoina [2] tany amin'ny biraon'ny fiarovam-panjakana ao Fayoum (avaratr'i Cairo) izay misy an'i Fares ihany.

Nandany adiny efatra tao amin'ny foiben'ny Fiarovam-pirenena ity tanora bilaogera (25 taona) ity, izay nohadihadiana momba ny fitokonana natao tamin'ny volana Oktobra sy ny fomba fijeriny ara-politika.

Polisy telo no nanadihady an'i Fares, ny iray tamin'izy ireo niresaka taminy momba ny lahatsoratra iray niseho tao amin'ny bilaoginy mitondra ny lohateny hoe “Ireo izay hanao fety any am-ponja noho ny fiampangana ho mitia an'i Ejypta [3]” izay nampahatsiahivin'i Fares tamin'ny mpamaky ny manjo ireo bilaogera voatazona, toa an'i Mous ‘ad Abu Fagr, Ahmad Abu Doma, Kareem Amer ary Hani Nazeer.

Ao amin'ny foiben-toeran'ny Fiarovam-panjakana, nasaina mba hampiato ny fikatrohany i Fares ary takalon'izany dia ho atao mpikambana ao amin'ny “sangany” ao amin'ny antokon'ny fitondrana izy, tolotra iray nolaviny tamim-pahalalam-pomba.

Taorian'ny famotsorana azy dia maro ireo bilaogera nitantara ny zava-niainan'ny naman'izy ireo [4], niantso ny hafa tsy handeha any amin'ny biraon'ny Fiarovam-panjakana rehefa hampanantsoina amin'ny alàlan'ny antso an-tariby izy ireo, satria tsy baiko ara-dalàna izany.

Efa nosamborina teo aloha tamin'ny taona 2007 sy taona 2009 i Fares. Ny fisamborana azy farany [5] dia tamin'ny 5 aprily 2008, raha nizara taratasy kely miantso ny olona hidina an-dalambe sy hanohitra ny governemanta, ho ampahany amin'ny fitokonana 6 Aprily [6] izy.