- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogera roa mbola any am-ponja na dia efa tokony avotsotra aza

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2009)

Didy anankiroa no navoaka tamin'ny herinandro lasa izay manalava ny fe-potoam-pigadran'ireo bilaogera Ejipsiana roa. Ny voalohany dia mbola didy fisamborana an'i  Mus'ad Abu Fagr [1], izay nosamborina tamin'ny volana Desambra 2008. Efa nahazo didim-pitsarana manome alalana ny famotsorana azy i Abu Fagr, saingy indrisy fa narahana didy fisamborana vaovao indray izany! Nafindra tany amin'ny tobin'ny polisy Al-Arish, ao amin'ny faritra misy azy, ary avy eo tao amin'ny fonja Borg El-Arab ao Alexandria ihany koa ity bilaogera ity, ka sarotra ho an'ny fianakaviany ny mitsidika azy.

Kareem Amer [2], no bilaogera faharoa mijanona any am-ponja, izay nolavina ny fangatahan'ireo mpisolovavany mba hamotsotra ity tanora bilaogera ity, satria efa nahavita ny atsasaky ny saziny an-tranomaizina izy.

Tokony higadra 4 taona an-tranomaizina i Amer tamin'ny taona 2007, nitondra tena tsara araka ny tokony izy nandritra ny roa taona izy, izay tokony hanome tombontsoa amin'ny famotsorana azy araka ny voalazan'ny fehezan-dalàna famaizana Ejipsiana. Andro vitsy lasa izay, nampiakatra ny raharaha tany amin'ny fitsarana ambony ny mpisolovava ao amin'ny Tambajotra Arabo ho an'ny Zon'olombelona (ANHRI) [3] noho ny fandavan'ny fitsarana ny famotsorana ilay bilaogera.

Tsara ny manamarika fa gadraina ao amin'ny fonja iray ihany ao Alexandira i Abu Fagr sy Amer, fonja anjakan'ny fanitsakitsahan-dalàna marobe momba ny fanivaivana sy fampijaliana.