- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maraoka : Nenjehina noho ny fanalàm-baraka ilay bilaogera Hassan Barhoum

Sokajy: Maraoka, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
Nosamborina ny 25 Febroary 2009 noho ny fanambarany ny raharahan-kolikoly nahavoarohirohy an’Atoa Mohamed Masmouki, izay Lehiben’ny Fampanoavan’ny Mpanjaka ao Maraoka tao amin’ny Fitsarana ambony ao Tétouan ny Bilaogera sady mpanao gazety [1] Maraokana miady amin’ny kolikoly, Hassan Barhoum. Tokony niakatra fitsarana izy ny 6 Martsa 2009.

Nanaparitaka fanangonan-tsonia izay nanondro an‘Atoa Mohamed Masmouki, Lehiben’ny Fampanoavan’ny Mpanjaka ao Maraoka, ao amin’ny Fitsarana Ambony ao Tétouan, i Hassan Barhoum, ho ‘’jiolahy atahorana’’ izay mpanitsakitsaka ny finoana masin’ny vahoaka sy ny Andrim-panjakana’’. Nosoniavin’ireo mpanao gazety marobe, bilaogera ary ireo mpikatroka ilay fanangonan-tsonia izay nampahatsiahy fa ilaina ny fandefasana an’Atoa Mohamed Masmouki any amin’ny ‘’Fitsaram-bahoaka’’.

Araka ny filazan’ny CPJ [2] ( Komity mpiaro ny mpanao gazety, ndt) ilay bilaogera ‘’Hassan Barhon, dia voaheloka araka ny andininy faha-263 amin’ny fehezan-dalana famaizana amin’ny heloka bevava momba ny fanalam-baraka ny mpikambana ao amin’ny ‘’Fitsarana’’. Raha meloka i Hassan Barhon dia mety higadra dimy taona an-tranomaizina :

Les autorités marocaines doivent arrêter de criminaliser la liberté d'expression et de punir les blogueurs et journalistes qui formulent des critiques […]. Le Maroc ne peut pas entreprendre des poursuites pénales pour diffamation, qui est une affaire de droit civil, et prétendre en même temps que le pays continue de faire des progrès dans le domaine de la liberté de presse.

Tokony hanatsahatra ny fanamelohana ny fahalalaham-pitenenana sy ny fanasaziana ireo bilaogera sy ny mpanao gazety izay maneho tsikera […] ireo manampahefana Maraokana. Tsy tokony hanenjika ara-pitsarana noho ny fanalam-baraka, izay raharaha momba ny zo sivily i Maraoka, kanefa sady milaza ihany koa fa nisy fandrosoana ny firenena eo amin’ny sehatry ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.

Tamin’ny alalan’ny fanorenan'asa nataony ‘’Journalists Without Limits’ [1]’ (Mpanao Gazety Tsy misy Fetra) i Hassan Barhoum dia navitrika tokoa tamin’ny famoahana ny raharahan-kolikoly sy ny raharaham-piraisana tsikombakomba eo amin’ny baroan’ny heloka bevava sy ny zava-mahadomelina ary ireo manampahefana ao amin’ny fitantanan-draharaha ao an-toerana. Nanolotra lahatsary tao amin’ny Dailymotion [3] sy YouTube [4] ihany koa i Hassan.

Tsy i Hassan Barhoum akory no Maraokana nosamborina voalohany noho ny fanehoany ny heviny am-pilaminana tamin’ny aterineto. Tamin’ny taon-dasa ( 2007) dia nosamborina ary voaheloka noho ny asany tamin’ny aterineto ny tanora Maraokana roa. Ny 5 Febroary 2008, nosamborina ary nohelohina telo taona an-tranomaizina sy nandoa lamandy mitentina arivo euros teo ho eo ilay Injenieran’ny Informatika, Fouad Mountada, 26 taona, noho ny famoronany pejy sandoka ho an’i zandrin’ny Mpanjaka Mohammed VI tao amin’ny Facebook. Nahazo famotsoran-keloka feno avy amin’ny Mpanjaka i Fouad ny 19 Martsa 2008, ary niala tao amin’ny fonjan’i Oubacha (Casablanca) izy. Nosamborina ilay bilaogera Mohammed Erraji tamin’ny 5 Septembra 2008, ary voaheloka roa taona an-tranomaizina sy nandoa lamandy dimanjato euros noho ny ‘’tsy fanajana ny Mpanjaka’’. Navoaka ny 18 Septembra 2008 i Mohammed Erraji [5] taorian’ny nanafoanan’ny Fitsarana Avo ao Agadir ny vesatra rehetra niampangana azy, noho ny tsy fetezana tamin’ny dingana momba ny fitsarana azy teo aloha.