- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malayzia: Nohadihadiana ilay mpiangaly Rap tao amin'ny YouTube

Sokajy: Malezia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nohadihadian'ny polisy momba ny hirany rap, izay nanasongadina ny hiram-pirenena Maleziana “Negaraku”, tao amin'ny feo lafika i Wee Meng Chee, fantatra amin'ny anarana hoe Namewee [1].  Niteraka resabe tamin'ny taon-dasa (2007) ity hira ity izay mitondra ny lohateny hoe ‘Negarakuku’, ahitana tononkira Shinoa milaza ny fanararaotan'ny polisy, ny kolikoly ary ny fanavakavahana ara-poko, ankoatra ny maro hafa. Navoaka tao amin'ny Youtube [2] tamin'ny herintaona (2007) ny lahatsarin'i Wee amin'ny ‘ Negarakuku [3]‘ ary nahasarika mpijery maherin'ny iray tapitrisa.

Araka ny voalazan'i Wee [4], nanontany azy momba ilay hira ny polisy sy ny tanjony tamin'ny fanatontosana ilay lahatsary. Na dia nilaza tamin'ireo mpitati-baovao aza izy fa nilaza taminy ny polisy fa ho hakaton'izy ireo ny lahatahiry misy ity hira ity dia voalaza [4]fa nohadihadiana araka ny Lalànan'ny Fisarahambazana i Wee, ary ho entina eo anatrehan'ny Lefitry Mpampanoa Lalàna ny raharaha. Niala tsiny ampahibemaso noho ilay lahatsary i Wee ny taon-dasa (2007) rehefa nipoitra ny hatezerana voalohany.

namewee

Nampiasaina tamin'ny mpikatroka an-tserasera roa hafa tamin'ity taona ity (2008) ny Lalànan'ny Fampisarahambazana , Raja Petra Kamaruddin [5] , izay nigadra an-tranomaizina roa taona tsy nisy fitsarana, sy ilay bilaogera Syed Azidi Syed Aziz [6] ihany koa. Nohadihadiana araka ny Lalànan'ny Fisarahambazana ihany koa ny bilaogera iray hafa, Abdul Rashi Abu Bakar, na dia tsy nisy aza ny fivoaram-baovao hatramin'ny nanaovana tatitra ato [7].

Nitranga tao anatin'ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika sy ara-toekarena tao amin'ny firenena ireo dingana nataon'ireo manampahefana hamehezana ny fahalalaham-pitenenana an-tserasera, raha mikatsaka ny hahazo ny fahefan'ny fitondrana fiaraha-mitantana izay teo amin'ny fitondrana nandritra ny 50 taona mahery kosa ny vondrona fiaraha-mientan'ny mpanohitra vao niforona.