- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Syria: Sazy telo taona an-tranomaizina ho an'ilay bilaogera, Tariq Baiasi

Sokajy: Syria, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2008)
[1]
Ny Alahady 11-5-2008, nanambara ny didim-pitsarany ho an'ilay bilaogera Syriana, Tariq Baiasi [2] efa nogadraina hatramin'ny 7-7-2007 ny Fitsarana misahana ny Fiarovam-pirenen'i Damaskosy. Nosamborina i Tariq noho ny fametrahana fanehoan-kevitra tao amin'ny tranonkala tsy ankasitrahan'ny governemanta Syriana. Nanameloka ny didim-pitsarana ny Hetsika Avotsory i Tariq ary nangataka ny famotsorana ity bilaogera Syriana ity:

Nosazian'ny Fitsarana misahana ny Fiarovam-pirenen'i Damaskosy [3] higadra telo taona an-tranomaizina i Tariq raha enin-taona an-tranomaizina izany tany am-boalohany ary nampidinina telo taona (efa voasazy telo taona an-tranomaizina avy i Tariq tany am-boalohany noho ireto fiampangana manaraka ireto):

1- Fampihenana ny fihetseham-po nasionaly.

2-Fandemena ny etikam-pirenena.

Nosamborin'ny fiarovana ara-miramila tamin'ny 7-7-2007 i Tariq noho ny fametrahana fanehoan-kevitra tamin'ny tranonkala heverin'ny governemanta Syriana fa “mampiahiahy”.

Satria misalasala tsy haneho hevitra momba ny didim-pitsarana avy amin'ny fanjakana ny fianakavian'i Tariq sy ireo mpisolovavany, dia tianay raha ny FTMF (ONG) momba ny zon'olombelona no manazava ny antsipiriany momba ity vaovao ity.

Mandritra izany, apetrakay ity tatitra manaraka navoakan'ny fikambanana zon'olombelona Syriana [4] (Sawasiya)  tamin'ny 23-2-2008 ity izay miresaka fohifohy ny raharaha Tariq:

On 18-2-2008 the Supreme State Security Court had interrogated Tariq Biasi (1984) who was arrested on 7-7-2007 after charging him with “dwindling the national feeling” and “weakening the national ethos” based on Articles 286-285.

Tariq who was arrested because of a comment left on websites considered “suspicious” by the Syrian government, denied leaving the comment and stated that he saw it only after his arrest. He also asserted that the land line, through which the website was accessed, is not his but for a doctor (there are seven branches for this line and while all of them are used, one of them is used for an internet café).

Tariq explained that he works in computer business and he has nothing to do with politics or anything of the like. His trial was adjourned till 17-3-2008 for the Attorney General to state its demands.

Tamin'ny 18-2-2008, nanadihady an'i Tariq Biasi  (1984) izay nosamborina tamin'ny 7-7-2007 ny Fitsarana Ambony misahana ny Fiarovam-pirenena rehefa niampanga azy tamin'ny “fampidinana ny fihetseham-po nasionaly” sy “fandemena ny etikam-pirenena” mifototra amin'ny Andininy 286-285 .

Nolavin'i Tariq izay nosamborina noho ny fanehoan-kevitra navoaka tao amin'ny tranonkala heverin'ny governemanta Syriana fa “mampiahiahy” ny filazana fa nametraka ilay fanehoan-kevitra izy ary nilaza izy fa taorian'ny fisamborana azy vao nahita izany (fanehoan-kevitra) izany. Nolazainy ihany koa fa tsy azy ny “tsipiky ny tany (land line)”, izay ahafahana miditra amin'ny vohikala fa dokotera no tompony (misy sampana fito amin'ity tsipika ity ary raha samy ampiasaina izy rehetra, dia iray amin'izy ireo ihany no ampiasaina ho an'ny cybercafe).

Nanazava i Tariq fa miasa amin'ny sehatry ny ordinatera izy ary tsy misy ifandraisany amin'ny politika na zavatra toy izany. Nahemotra amin'ny 17-3-2008 ny fitsarana azy mba hanapahan'ny Lehiben'ny Fampanoavana izay ho fangatahany.

Manohy mitaky ny famotsorana [5] ny namany bilaogera Tariq Baiassi ireo bilaogera Syriana:

This harsh sentence for a merely criticism written in a website, is only an enlightening illustration of the injustice and persecution against any attempt to express the opinion that the Constitution guarantees to all people. (…)
This sentence will not cancel the freedom of expression or shut up the voices demanding their rights guaranteed by the constitution. And Tariq will remain the flame that will not be extinguished and he will still the guide for all the bloggers.

As for the bloggers, they will exercise the freedom that does not hurt anyone, whatever the consequences are!

Ity sazy henjana noho ny fanakianana fotsiny nosoratana tamin'ny tranonkala ity dia fanehoana mazava tsotra izao ny tsy rariny sy fanenjehana izay fikasana rehetra haneho hevitra iantohan'ny lalàmpanorenana ho an'ny olon-drehetra. (…)
Tsy hanafoana ny fahalalahana maneho hevitra na hanakombom-bava amin'ny fitakiana ny zon'izy ireo izay iantohan'ny lalàmpanorenana ity sazy ity. Ary hijanona ho lelafo izay tsy ho levona (tsy ho lany lahinjiro) i Tariq ary mbola izy no ho mpitari-dalana ho an'ny bilaogera rehetra.

Ho an'ny bilaogera, hampiasa ny fahafahana tsy manimba na iza na iza ry zareo, na inona na inona vokany.

Azonao jerena ny fanentanana Avotsory i Tariq amin'ny fanindriana ny ato [6] amin'ny dikanteny Anglisy, ary ato [7] ny amin'ny teny Arabo.