- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Nosamborina” tany Teheran ilay bilaogera Iraniana Hossein Derakhshan  

Sokajy: Iràna, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Novambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Araka ny tranonkala Jahan News [1], nosamborina tao Tehran ilay bilaogera Iraniana, Hossein Derakhshan [2] (fantatra amin'ny anarana hoe Hoder), bilaogera mavitrika izay nolazaina matetika ho rain'ny tontolon'ny bilaogy Iraniana [3]. Niverina tany Iran i Hossein tokony ho 3 herinandro lasa izay  (Novambra 2008) ary nohadihadiana satria noahiahiana ho nanao fitsikilovana ho an'ny fanjakana Isiraely. Araka io loharanom-baovao io ihany dia toa niaiky i Hossein fa nandray anjara tamin'ny hetsika fitsikilovana ho an'i Isiraely. Tamin'ny volana Janoary 2006, nitsidika an'i Isiraely tamin'ny zom-pirenena Kanadiana i Hossein ary nibilaogy am-pahibemaso momba ny diany toy ny hoe fandravana ny fady lehibe [4] :

This might mean that I won’t be able to go back to Iran for a long time, since Iran doesn't recognize Israel, has no diplomatic relations with it, and apparently considers traveling there illegal. Too bad, but I don't care. Fortunately, I'm a citizen of Canada and I have the right to visit any country I want. I'm going to Israel as a citizen journalist and a peace activist.

Mety midika izany fa tsy ho afaka hiverina any Iran mandritra ny fotoana maharitra aho, satria tsy mankatoa an'i Isiraely i Iran, ary tsy manana fifandraisana ara-diplaomatika aminy, ary toa heveriny fa tsy ara-dalàna ny fandehanana any. Tena ratsy izany kanefa tsy miraharaha aho. Soa ihany, fa mizaka ny zom-pirenena Kanadiana aho ary manan-jo hitsidika ny firenena izay tiako. Nankany Israely aho amin'ny maha olom-pirenena mpanao gazety ahy sady mpikatroky ny fandriampahalemana.

Tamin'ny fotoana nanoratana dia tsy mbola nisy ny fanamafisana ny fisamborana an'i Hoder avy amin'ny loharanom-baovao hafa