- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malezia: Voampanga ilay bilaogera namoaka sary hosoka misy ireo mpanao politika

Sokajy: Malezia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny anglisy efa nivoaka tamin'ny volana Febroary 2010)

Bilaogera iray no voalaza fa nandefa sary hosoka misy an'i Kelantan Mentri Besar, Nik Abdul Aziz Nik Mat sy ny mpitarika mpanohitra Anwar Ibrahim. Voalaza [1] fa misy an'i Nik Abdul Aziz manao firaisana ara-nofo amin'i Anwar ilay sary.

Nametraka ny tatitra momba ny raharaha ny komitin'ny fiarovana Kelantan PAS, ny sekretera (Rtd) Mohamad Ibrahim tamin'ny 8 Febroary 2010 rehefa nahita ireo sary tao amin'ny aterineto tamin'ny 6 febroary. Nanamafy ny fisamborana, araka ny tatitry ny vaovao ny lehiben'ny polisy ao Johor, Mohd Mokhtar Mohd Shariff, .

Araka ny  tati-baovao hafa [2], voatazona araka ny Fizarana 233 momba ny Lalàna mifehy ny Fifandraisana sy ny Media marolafy ilay bilaogera, lalàna mifandraika amin'ny fampiasana tsy ara-dalàna ny tranonkala na ny tolotra tambajotra amin'ny fanehoan-kevitra, fangatahana na soso-kevitra amin'ny fifandraisana izay vetaveta, sandoka, manafintohina, na nampiasaina hanararaotana, handrahonana na hanorisorenana olona hafa.

Raha voaheloka, dia mety hiatrika sazy herintaona an-tranomaizina farafahabetsany sy/na onitra tsy latsaky ny RM50.000 ilay bilaogera.

Nilatsaka fotoana fohy taorian'ny fiampangan'ny polisy bilaogera iray hafa noho ny fanevatevana ny Sultan efa maty any Johor  [3]ity fisamborana ity, ary ao anatin'ny fitsarana sodomika faharoa an'i Anwar Ibrahim [4].

A 44-year-old blogger has been detained for allegedly posting on the Internet doctored pictures of Kelantan Mentri Besar Datuk Nik Abdul Aziz Nik Mat being sodomised by Opposition Leader Datuk Seri Anwar Ibrahim.

It is learnt that the man had turned himself in at the Permas Jaya police station yesterday.

Kelantan PAS Security Committee secretary Major (Rtd) Mohamad Ibrahim had lodged a report over the matter at the district police headquarters in Pengkalan Chepa, Kelan-tan on Monday, after discovering the pictures on the Internet last Saturday.

Johor police chief Deputy Comm Datuk Mohd Mokhtar Mohd Shariff confirmed the arrest.

“The suspect has been handed over to the Kelantan commercial crime unit for further investigations.

“The case is classified under the Communications and Multimedia Act 1998,” he said.

The pictures posted on the Internet caused a stir among PAS leaders and supporters in Kelantan.

A local daily even quoted Nik Abdul Aziz as saying that the allegations were shocking and that the blogger had misused his talent.

This is the second blogger arrested over offensive postings on the Internet this year.

On Jan 29, Khairul Nizam Abdul Ghani known as Aduka Taruna from Rumah Rakyat Pancor in Paroi, Negri Sembilan, was charged at the Seremban Sessions Court for posting derogatory remarks of the late Sultan of Johor Sultan Iskandar ibni Almarhum Sultan Ismail on his blog.

He was accused of improper use of network facilities or a network service as provided for under Section 233(1)(a) of the Communications and Multimedia Act 1998 (Act 588).