- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Tranonkala nakatona noho ny baikon'ny polisy

Sokajy: Rosia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aogositra 2010)

20marta.ru, tranonkalan'ny mpanohitra natokana hitantarana momba ny  “Andron'ny Fahatezerana [1]” natao tamin'ny 20 Martsa no nakaton'ny polisy iray andro monja taorian'ny nisokafany, araka ny notaterin'ny [2] kasparov.ru. Araka ny loharanom-baovao, nandefa taratasy fampahafantarana ny polisy fa nakatona ny tranonkala noho ny fitarihana fanoheram-panjakana.