- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Nolavina ny fangatahan'ilay mpitsara hanakanana ireo tranonkala 

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nandà ny fangatahana [1] nataon'ny mpitsara Abdel Fattah Mourad mba hanakanana tranonkala sy bilaogy miisa 51 [2] heverina fa maniratsira ny fahamendrehan'ny fanjakana sy mandrahona ny tombontsoan'ny Ejipta ny Komitin'ny Vaomieram-panjakana ao Egypta. Mandritra izany, niato ny fanadihadiana natao tamin'ny bilaogera Amr Gharbia [3], izay voampanga ho nanala-baraka ny mpitsara Mourad: “Nanambara  ny Polisy fa nampiantrano fanehoan-kevitra manevateva tsotra izao ny mpitsara ny bilaogin'i Gharbia ; koa satria tsy avy aminy ny fanehoan-kevitra dia noafahana madiodio tamin'ny fiampangana izy avy eo, “hoy i IFEX [4] tao amin'ny fanambarana .