- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Israely: Nankatoavin'ny rehetra ny volavolan-dalàna momba ny sivana 

Sokajy: Israely, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny volavolan-dalàna momba ny sivana [1] ho an'ny aterineto vetaveta sy feno herisetra izay natolotr'i Amnon Cohen avy amin'ny antoko Ortodoksa Hiringiriny Shas dia neken'ny Komity Ministerialy misahana ny Famolavolana Lalàna [2] ary natolotra ny Knesset Isiraeliana.