- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: nolavina ny fitorian'ny mpitsara iray mangataka fandraràna tranonkala

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2008)

Tsy nahazo rariny tamin'ny fitoriana napetrany ilay mpitsara Abdel Fattah Mourad, izay nangataka ny fandraràna bilaogy sy tranonkala miisa 51 [1]heverina fa manevateva ny fahamendrehan'ny fanjakana sy mandrahona ny tombontsoan'i Ejipta. Ny 29 Desambra 2007, notsipahan’ [2] ny Fitsarana Ara-panjakana ny fitoriana ary nanapa-kevitra ho an'ny fahalalahana miteny amin'ny aterineto.

Fandresena keny maromaro no manome antsika fanantenana sy fahafahana hanohy, ary namerina ny fitokisana taminay izany didy izany fa tsy very foana ny ezaka ataonay amin'ny fanohanana ny fahalalahana aty Ejipta,hoy  [2]i Ahmed Seif Al-Islam Hamad, tale teo aloha tao amin'ny Foiben'ny Lalàna Hisham Mubarak. “Iantohan'ny fitsarana ao Ejipta ankehitriny ny zon'ny olom-pirenena momba ny aterineto malalaka sy ny fivezivezen'ny vaovao malalaka”, hoy i Gamal Eid, Tale mpanatanteraka ao amin'ny Tambajotra Arabo momba ny vaovao mikasika ny zon'olombelona [3].