- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosakanan'i Maraoka ny fidirana tamin'ny YouTube

Sokajy: Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny 25 May 2007 dia notaterin'ny bilaogera [1] Maraokana [2] marobe [3] fa nosakanan'i Maraoka ny fidirana tamin'ny tranokala fifampizarana lahatsary YouTube [4]. Maro ny fanombatombanana fa noho ny fandefasana ny lahatsary mitsikera ny mpanjakan'ny firenena [5] sy ny mpanohana an'i Sahara Andrefana [6] no nahatonga ny fandraràna. Ity no tranonkala fahatelo lehibe nosakanan'ny fitondràna mpanivana Maraokana [7] taorian'ny Google Earth [8] sy Livejournal [9].