- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tokony avotsotr'i Ejipta mialoha ny fifidianana ho vaomieran'ny Firenena Mikambana momba ny Zon'olombelona ireo bilaogera

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tokony hanafaka ireo bilaogera nogadraina i Ejipta alohan'ny fifidianana Filankevitry ny Firenena Mikambana momba ny Zon'Olombelona [1] , hoy ny Mpanara-maso ao amin'ny Firenena Mikambana [2], fikambanana iray miaro ny zon'olombelona ao Geneva tao anatin'ny fanambarana iray izay navoakany [3]. Ankoatra ireo fepetra hafa, ny Mpanara-maso ao amin'ny Firenena Mikambana dia mitaky “ny famotsoran'i Egypta an'i Huwaida Taha Mitwalli mpanao gazety, izay tany am-pigadrana noho ny fiezahany nitatitra momba ny fampiasan'ny governemanta fampijaliana, ary ihany koa ireo bilaogera anisan'izany i Abd al-Monim Mahmud sy Abd al-Karim Nabil Sulaiman (fantatra amin'ny anarana hoe Karim Amer), izay nogadraina noho ny fampiharan'izy ireo ny zo iraisam-pirenena voaaro amin'ny fahalalaham-pitenenana.”