- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nakaton'i Ozbekistan ny tranonkala Newsuz.com

Sokajy: Ozbekistan, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary 2008)

Uzbekistan blocks Newsuz.com website
Voalaza [1] fa nakatona tao Uzbekistan ny tranonkala amin'ny teny Ozbeky, Newsuz.com [2]. “Taorian'ireo andian-dahatsoratra mitsikera ireo olana momba ny zon'olombelona, ​​ny olan'ny famatsiana etona, sy ny fiakaran'ny vidim-piainana, ary koa ny lahatsoratra manadihady momba ny fifidianana vao haingana, nanomboka nahazo taratasy miaraka amin'ny fandrahonana sy fangatahana hanaraka ny vaovao nalefa tao amin'ny tranonkam-panjakana izahay. Tsy nanao izany izahay, ary vokatr'izany nakatona ny tranonkalanay, “hoy ny lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny gazety Newsuz.Com, Aziz Nosirov [3].

Matetika ny governemanta Ozbeky mandà ny fisian'ny fanivanana aterineto: “Miaina amin'ny vanim-potoanan'ny teknolojia informatika isika, ary mirongatra ny fanambarana rehetra milaza fa voasivana ny aterineto na niakatra ny fahatsontsana,” hoy ny fanambaran'ny minisitry ny raharaham-bahiny, Eljer Ganiyev [4]indray mandeha.

Na izany aza, araka ny filazan'ny Open Net Initiative (ONI), [5] mitazona ny rafitra fanivanana faran'izay mivoatra sy miparitaka any amin'ireo firenena mikambana ao amin'ny Fikambanamben'ny Fanjakana Mahaleotena (CIS) i Ozbekistan. Nanambara ny Reporters Sans Frontières [6] (RSF) tamin'ny 7 Novambra 2006 fa  anisan'ireo firenena 13 tondroin'ny ONG ho “Fahavalon'ny Aterineto [7]” i Ozbekistan.